♦ Tsisy olana eo amin'ny solombavambahoakan'Ikongo, sy ny filoha Andry Rajoelina. Anatin'ny antoko TGV soa aman-tsara Andriamatoa Razafitsihandraofa Brunelle, ary manabevoho izany antoko izany, araka ny nambarany omaly... ♦ Tsy ho ampy iatrehana ny fiakaran'ny vidim-piainana ny tahan'ny fiakaran'ny karama raha mbola latsaky ny 30%, hoy ny Vondron'ny mpiasa malagasy... ♦ Hihatra amin'i Madagasikara ny sazy amin'ity taona ity raha mbola tsy tomombana ny fampiharana ny fepetra iraisam-pirenena amin'ny fivezivezena ara-bola tsy ara-dalàna, toa ny famatsiam-bola sy fampiasam-bola amin'ny ady amin'ny asa fampihorohoroana, hoy ny Transparency International...
Endrik'Andriamanitra ny olombelona, noho izany dia tsy zavatra fotsiny isika fa olona. Ny mampiavaka ny olona : afaka mahalala tena, mijoro ho tompon'ny tenany, manolo-tena sy miombona amin'ny hafa an-tsitrapo. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alarobia 27 aprily 2022 — Herinandro faharoa fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 16-21
♦ Niditra an-tanety tao Toliara-II tamin'ny 5 ora folak'andro teo i Jasmine, ilay rivo-doza tao amin'ny lakan-dranon'i Mozambika. Hivoaka an-dranomasina any amin'ny faritra atsimo-atsinanana indray izy rahampitso... ♦ Fisodrotan-karama 30% hoy ny SSM vao ampy iatrehana ny fiakaran'ny vidim-piainana ankehitriny. Tara hoy izy ireo ny fanapahan-kevitry ny fitondrana hidinika amin'ny sehatra tsy miankina amin'ny famaritana ny tahan'ny fiakaran'ny karaman'ny mpiasa... ♦ Nohenoina teny amin'ny sampan-draharaha foibe misahana ny ady amin'ny heloka an'habaka indray ny mpanolotsainan'ny tanànan'Antananarivo renivohitra Clémence Raharinirina niaraka tamin'ny Lily Rafaralahy...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco