♦ Mitokona ireo mpianatra ho dokotera miasa eny anivon'ny hopitalim-panjakana. Nampitsahatra ny asany izy ireo, noho ny fitakiana fisondrotana tambin-karama 13% toy ireo mpiasam-panjakàna... ♦ Andro faharoa ho an'ny fanadinam-panjakana BEPC manerana ny nosy anio. Ezahina hivoaka faran'izay haingana ny valim-panadinana, satria efa nanomboka omaly ihany ny fitsaràna... ♦ Handray ny Afrobasket latsaky ny 18 taona, lahy sy vavy, i Madagasikara afaka iray volana. Mananosarotra ny fanomanana amin'ny foto-drafitr'asa, hoy ny eo anivon'ny federasiôna... 

05 jolay — Teraka tamin’ny faramparan’ny taona 1502 i Antoine-Marie Zaccaria. Zanaka fianakaviana andriana izy. Tao Crémone Lombardi  izy no teraka ary tao ihany ko no notaizana. Mbola kely an-tanana izy dia maty ny rainy ka ny reniny, vao 18 taona tamin’izay, no nitaiza azy tao anatin’ny fitiavam-bavaka sy ny fitiava-namana.

Ny tenan'ny olombelona ihany no mpanao, foibe ary tanjon'ny fiainana rehetra ara-piharian-karena sy ara-piaraha-monina. Izao no vahaolana tena izy momba ny fiaraha-monina : ny haren'ny zava-boaary nataon'Andriamanitra ho an'ny rehetra raha ny tena marina, dia tokony hipaka amin'ny rehetra, araka ny fahamarinana. Katesizy momba ny haren'ny tany, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Talata 5 jolay 2022 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho; mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 32-38

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...