Talata 5 jolay 2022 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho; mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 32-38

"Tsy mbola nisy toy izany tamin'i Israely". Gaga ny vahoaka nahita ny vokatry ny asan'i Kristy : voaroaka ny demony, nivaha ny lelan'ny moana. Anisan'ny toetra naharian'Andriamanitra antsika olombelona ny "teny", mba hahafahana mifandray amin'ny hafa, sompatra anefa ny demony ka nahamoana ity lehilahy ity. Nanana ny fahatokisany sy ny finoany an'i Kristy kosa anefa ireto olona nitondra ity lehilahy moana ity, ka tsy nihambahamba nanatona azy. Ilain'Andriamanitra miteny isika satria amin'ny alalantsika olombelona ihany no hanambaran'Andriamanitra amintsika ny teniny.

Misy ihany anefa ny be fialonana toy ny nataon'ireto Farisianina ireto, manakiana ny fanasitranana sy ny famerenana amin'ny toetra naharian'Andriamanitra antsika olombelona, ataon'i Kristy. Lazainy fa ny lehiben'ny demony indray no androahany ny demony, nefa efa i Kristy izao no nampiteny ity lehilahy moana ity. Izay ilay olombelona, mitsaratsara ivelany fotsiny fa tsy mahafantatra izay anton-javatra. Tsy mahagaga fa ny Farisianina anie ka antoko mpanohitra an'i Kristy foana, ny manenjika no masaka ao an-tsainy na inona na inona ataon'i Kristy.

Tsy kivy anefa i Kristy fa vao mainka izy nitety ny tanana sy ny vohitra rehetra ary naniraka ny mpianany ihany koa. "Ny hazo avo tokoa, halan-drivotra", ary "Ny lamba fotsy halan-doto", kanefa "Tsy ny fositra no tsy hambolem-boavahy", hoy ny Ntaolo. Koa mankahery antsika izay mpanao asa soa àry, ny ohatra omen'i Kristy eto, mba tsy hihemotra fa hiroso hatrany, na dia misy aza ny mpanohitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 nôvambra 2024

  • Samy nanana ny nanamarihana ny Andro maneratan-tany ho an'ny Tanora ny isan-diôsezy, ny isan-distrika ary ny isam-paroasy, omaly Alahadin'i Kristy Mpanjaka...
  • Manao ezaka ho fanatsararana ny kalitaon'ny fanabeazana omena ireo zanaky ny Fiangonana manovo fanabeazana eny amin'ny Sekoly Katôlika ny eto Mdagasikara sy ny any amin'ny Diôsezy. Isan'izany ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Mitoetra ao amin'ny teny marina sy mandaitra ny fahefana maha Mpanjaka an'i Jesoa, hoy ny Papa François tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny alahady 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...