Nony efa antomotra ny andro tsy maintsy hanalana an’i Jesoa, dia nanapa-kevitra hankany Jerosalema Izy, ka nandefa iraka hialoha Azy. Dia nandeha ireo ka niditra tao amin’ny tanàna anankiray tany amin’ny Samaritanina, mba hanomana ny fandraisana Azy; fa tsy nisy nandray Azy ny olona, satria olona hankany Jerosalema no fijeriny Azy. Nony nahita izany i Jakôba sy i Joany mpianany dia nanao hoe: "Tompoko, tianao va raha asainay ilatsahan’ny afo avy any an-danitra izy handevona azy?" Fa nitodika Izy ka nananatra azy mafy hoe: "Tsy fantatrareo mantsy izay tokony ho fanahinareo. Ny Zanak’Olona anie tsy tonga hamery ny olona fa hamonjy azy". Dia nankany amin’ny vohitra hafa izy ireo. Raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia nisy olona anankiray nilaza taminy hoe: "Hanaraka Anao aho, na aiza na aiza halehanao". Fa hoy i Jesoa taminy: "Ny amboadia manan-davaka, ary ny voro-manidina manana akany; fa ny Zanak’Olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany". Ary hoy Izy tamin’ny anankiray hafa: "Manaraha Ahy". Dia izao no navalin’io: "Aoka aloha, Tompoko, handevina ny raiko aho". Fa hoy i Jesoa taminy: "Avelao ny maty handevina ny maty ao aminy, fa ianao kosa mandehana mitory ny Fanjakan’Andriamanitra". Dia nisy iray hafa koa nanao taminy hoe: "Hanaraka Anao aho, Tompoko, fa aoka aloha hanao veloma ny ao an-tranoko aho". Fa hoy i Jesoa taminy: "Rehefa mety ho mpitana angadin’omby miherika, dia tsy sahaza ny Fanjakan’Andriamanitra".
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: "Iza moa aminareo no manana ondry zato ka very ny anankiray no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an’efitra, ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? Ary rehefa hitany dia ataony eo an-tsorony an-kafaliana, ka nony tonga any an-tranony izy, dia mamory ny sakaizany sy ny olo-mifanakaiky aminy ary manao amin’ireo hoe: ‘Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny ondriko very’. Lazaiko aminareo, fa toy izany koa, hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka, noho ny amin’ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana".
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra fa izay manao ny sitra-pon’ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra. Amin’izany andro izany, maro no hanao amiko hoe: Tompo, Tompo, moa tsy naminany tamin’ny Anaranao va izahay? ary moa tsy nandroaka demony tamin’ny Anaranao va izahay? moa tsy efa nanao fahagagana tamin’ny Anaranao va izahay? Ary amin’izany dia holazaiko miharihary aminy hoe: Tsy fantatro akory ianareo na oviana na oviana; mialà amiko ianareo mpanao ratsy. Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambony vatolampy; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin’ny vatolampy. Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao, ka tsy mitandrina azy, dia hanahaka ny lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambony fasika; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, dia nianjera izy ka loza ny faharavany."
Ary nony efa vitan’i Jesoa izany teny izany, dia gaga ny vahoaka tamin’ny fampianarany, satria nampianatra toy ny manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna teo aminy sy ny Farisianina.
♦ Tsy tokony hiroso amin'ny fanambadiana raha mbola tsy nahavita ny fifampizahan-toetra, izay dingam-piainana mankany amin'ny maha olon-dehibe. Iaino ny dingam-piainana ankehitriny fa homano ny ho avy... ♦ Vitsy ny mpiasan'ny fahasalamana mazoto hiasa any ambanivohitra noho ny tsy fahampian'ireo foto-drafitr'asa ara-tsosialy ilainy ka izay no antony mandrisika ny olona hanao dokotera tena ; ohatra ny sekoly hampianaran'izy ireo ny zanany na ny resaka herinaratra... ♦ Ho fitsinjovana ny fahasalamana dia tokony handanjalanja ny zavatra hampidirina am-bava ny olona indrindra ireo nandalo teny amin'ny mpitsabo nentim-paharazana ; tsara kokoa ny manao fitiliana eny amin'ny mpitsabo matihanina.... Fandaharana "Ampela Miary".
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco