Sabotsy 28 mey 2022 — Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho, hoy ny Tompo; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 23b-28

♦ Ho fanomanana ny fampirantiana iraisam-pirenena lehibe hatao any Arabie Saoudite amin'ny taona 2030, dia noraisin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana androany, ny delegasiona saodiana notarihan'Andriamatoa Ahmad Bin Abdul Aziz Kattan... ♦ Hotanterahana ny 16 sy 17 jona 2022, ny fikaonan-doha nasionaly ho fanatsarana ny fambolena sy ny famokarana eto Madagasikara, ka natao androany ny fihaonam-be tatitra, ho famolavolana sy fametrahana ny drafi-pampandrosoana izay seha-pamokarana izay...

♦ Alim-bavaka, Eokaristia Masina ary dia mivavaka, no nanamarihana ny faha-150 taonan'ny Masera FMA, tamin'ny 24 mey 2022... ♦ Nankalazaina ny alahady 22 mey 2022, ny taom-bolamena niorenan'ny finoana katôlika tao Andranomagnitsy, distrika Ambahikily, Morombe... ♦ Hotanterahana ny 29 mey 2022, ny famaranana ny faha-100 taonan'ny Seminera Zandriny Ambohipo... ♦ Nandefa taratasy fiaraha-miory ho an'ny Arsevekan'i San Antonio, ny Papa François, tao aorian'ilay fitifirana nitranga tao amin'ny sekoly iray tany Texas...

♦ Paikady iray nampandroso an'i Japon ny fiaraha-mientan'ny rehetra, manaporofo izany fanomezan'ny mpitondra toerana ny mpanohitra, ao anatin'ny fitantanana... ♦ Nihatra nanomboka androany indray ny fanatsarana ny fifamoivoizana ao an-drenivohitra, tao aorian'ny andrana izay natao omaly... ♦ Nosokafa amin'ny fomba ôfisialy teny Anosy, ny maraina teo, ny tetik'asa Mitsiry, entina hanohanana ny orinasa madinika sy ny salantsalany...

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...