♦ Nisafidy ny hiara-hiasa amin'ny federasiona Arabo ho an'ny toe-karena nomerika i Madagasikara ho fanatanterahana ny fiovana nomerika hoy ny filohan'ny repoblika Malagasy, tanatin'ny kabariny tamin'ny fanokafana ny famelabelaran-kevitra sy ny fampirantiana momba ireo teknolojia ara-toe-karena atao any Emirats Arabes Unis... ♦ Notanterahana omaly ny CEPE Katôlika nizotra antsakany sy andavany izany... ♦ Nihena ny tahan'ireo tanora mifoka sigara teto Madagasikara raha ny antotanisa tamin'ny taona 2018 vokatry ny fanentanana natao teny anivon'ny sekoly, nomarihina omaly ny andro maneran-tany iadiana amin'ny fifohana sigara... 

Mafy ny fifanatrehana sy ny sedra manoloana ny fandrosoana ara-teknolojia, hany ka mahasarotra ny fiarovana ny aina ihany koa izany. Ny asa fahariana dia mifototra amin'ny tso-drano avy amin'Andriamanitra. Ny fiombonan'aina eo amin'ny mpivady dia mahatonga azy ireo ho tompon'andraikitra.  Katesizy momba ny fanajana ny aina, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alarobia 1 jona 2022 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Ny Fanahy Masina no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, hoy ny Tompo, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 11b-19

♦ Nihatrika ny CEPE Katôlika androany, ireo mpianatra avy amin'ny sekoly katôlika rehetra hihatrika ny fanadinana CEPE amin'ny volana jona ho avy izao. Afaka nanao ny fanadinana avokoa ny diôsezy manerana ny nosy... ♦ Nanatrika ny famelabelaran-kevitra sy ny fampirantiana momba ireo teknôlôjia ara-toekarena nomerika, atao any Emirats Arabes Unis ny Filoha Malagasy ny antoandro teo. Nambarany fa nisafidy ny hiara-miasa amin'ny Federasiôna Arabo ho an'ny toe-karena nomerika i Madagasikara, ho fanatanterahana ny fiovana nomerika...

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...