♦ Hatomboka amin'ny faran'ny volana jona na ny fiandohan'ny volana jolay izao ny asa fanamboarana ny RN13 mampitohy an'i Taolagnaro sy Ambovombe-Androy. Hatao tara ihany koa ny ampahan-dalana manomboka eo Ihosy amin'iny lalam-pirenena iny, hoy ny filoham-pirenena... ♦ Ny eto amin'ny Faritra Analamanga no mbola ahitàna tranga vaovao maro indrindra mitondra ny tsimok'aretina Covid19 amin'ireo Faritra dimy ahitana izany. Miisa 38 ny tranga vaovao voatily tao anatin'ny herinandro... ♦ Manahy amin'ny mety hitotonganan'ny vidin'ny lavanila ny tantsaha mpamokatra ao amin'ny distrika Antalaha. Tsy sahin'ireo mpanangom-bokatra ny mividy ny vokatr'izy ireo amin'ny vidiny 75.000Ariary...

Efa hatrany amin'ny "Rerum Novarom" no nahitana ny fanampiana "tsy misalovana anadraikitra". Ity farany dia isan'ireo sori-dalana nifikirana izay nampiavaka ny fampianaran'ny Eglizy momba ny fiaraha-monina. Apetraka amin'ny toerany ny olona na vondrona tsirairay ary ankinina aminy hatrany ny zara asany. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Alatsinainy 23 mey 2022 — Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Natsangan’Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin’ny Hazofijaliana noho isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 26 — 16, 4

Tsy hisalasalana fa ny fitiavana ny mahantra dia tsy mifanindran-dalana amn'ny fitiavan-karena tafahoatra sy ny fitiavan-tena eo amin'ny fampiasana ny harena. Ny fitiavana ny mahantra no iray amin'ireo antony tsy maintsy hiasana mba hahafahana manao ny tsara amin'ny fanampiana ny sahirana. Tsy tokony ho sasatra isika manampy ny mahantra. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...