♦ Ho fandrafetana sy fanatanterahana ny drafim-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana miabo eto Madagasikara, dia nivory nandinika ny momba izany ny komity manokana misahana izany, tarihin'ny praiministra Ntsay Christian... ♦ Fanamafisana ny firaisan-kina sy fiaraha-miasa hafahana manatratra ny tanjona ny amin'ny fandriam-pahalemana iombonana, no loha-hevitra nifantohan'ny fihaonambe an'ireo ministera ny fiarovana aty Afrika... ♦ Notontosaina tany Nosy-Be, nandritra ny telo andro, nankalazana ny andro iraisam-pirenena ho fiarovana ny rohivoahary ala honko...
27 jolay — Ny Nathalie resahana eto dia ilay Nathalie maty martiry tamin’ny taonjato fahasivy, novonoina niaraka tamin’ny vadiny. Mafy tokoa manko ny fanenjehana ny kristianina tany Cordoue tamin’izany fotoana izany ka raha teo ho velona dia tsy maintsy mifindra musulman.
Mamaha krizy fotsiny ve ny mpitondra fanjakàna?. Hoy ny Papa François : "tsy mpamaha krisy fotsiny no andraikitry ny mpitondra fanjakàna fa natao hamoron-javatra hikendrena ny soa iombonana". Ny asa momba ny politika dia manome ny vahaolana rehetra takian'ny olana maro lafy ary tsy maintsy mikendry tombontsoa iraisana. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
♦ Mitokona mitaky ny hanomezana azy ireo ny vacation na ny saran'ny fiambenana ho an'ny fanadinana bakalôrea ny taona 2020 sy ny taorian'izay, ny mpampianatra mitsara fanadinana bakalôrea any amin'ny faritanin'Antsiranana... ♦ Ampanavaozana ny paik'adim-pirenena momba ny fanofanana ara-pamokarana sy ny eny ambanivohitra na ny SNFAR ankehitriny ny ao amin'ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Tontosa ny dingana voalohany, dia ny fakan-kevitra tamin'ireo mpisehatra voakasin'izany... ♦ Nametrahan'ny Weter Aid Madagasikara, foto-drafitr'asa fidiovana sy fanadiovana ny sekoly sy ny tobim-pitsaboana maromaro ao amin'ny kaominina Manjakandriana. Mponina 220.000 mahery, amin'ny fokontany 09 no misitraka izany...
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco