♦ Mila fanavaozana ara-pitantanana sy ara-toe-karena ny fampandrosoana ny firenena, hoy ny antoko Fanorenana Ifotony ho an'i Madagasikara. Nambaran'ny FIAM fa ilaina ny fikaonandoham-pirenena handinihana izany rehetra izany... ♦ Hanao hetsika manokana ny Zandarimariam-pirenena ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana amin'izao fotoanan'ny fialan-tsasatra izao. Fepetra maromaro no hihatra manomboka rahampitso eny amin'ny lalam-pirenena... ♦ Tobim-pahasalamana 116 any atsinanan'i Madagasikara no notoloran'ny USAID fitaovam-pitsaboana sy kojakoja samihafa. Fanampiana ara-pitaovana mitentina 34 miliara Ariary...

Ôkatra-harana dia endriky ny famadihana any amin'ny faritra betsimisaraka-avaratra, izany hoe any avaratra atsinanan'ny nosy. Ny ôkatra-harana fomba hamadihana ny satan'ny maty ho razana. Ao amin'ny faritra Betsimisaraka-avaratra : rehefa maty ny olona iray dia alevina an-tany, mandritra ny 5 taona eo ho eo, aorian'izay dia miroso amin'ny hoe manôkatra harana, izay fanadiovana ny taolambalo, ary raha efa izay dia tsy averina an-davaka intsony fa hafindra toerana. Harana= taolana...

♦ Miatrika fihaonam-be manomboka anio ny Vaomieran'ny Eveka momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona. Anisan'ny hodinihina amin'izany ny fanavaozana ny tranokalam-pifandraisan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Milaza ny tsy hihemotra manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny ny RMDM. Nanambara ny mbola hanohy ny hetsika fanehoan-kevitra izy ireo, na teo aza ny fanakànana ny sabotsy teo... ♦ Niakatra hatramin'ny 3.000 Ariary/gony ny vidim-bary eny amin'ireo mpamongady. Voalaza ho anisan'ny anton'izany ny fiakaran'ny vidin-tsolika, na mbola mitobaka ny vary eny an-tsena amin'izao...

26 jolay — Ray aman-drenin’i Masina Maria ireto olomasina resahana androany ireto. Ho an’ny tandrefana dia ny 26 jolay no fahatsiarovana azy fa ny tatsinanana kosa dia matsiaro azy ireo ny 09 septambra. Ny Evanjely apokrifa an’i Masindahy Jacques no ahitana ny tantaran’ireo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...