♦ Efa nandray fitenenana tany New York momba ny fanavaozana ny fanabeazana omaly hariva ny filoham-pirenena malagasy. Kabary nataony tafiditra sahady amin'ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana nanomboka omaly... ♦ Namoaka fanambaràna ireo mitonona ho mpîkambana maro an'isa eo anivon'ny sendikan'ny mpiasan'ny APMF. Efa nitory ny tale jeneralin'io sampan-draharaha io anefa ny sendikà ankilany, ka namoaka IST ho azy ny PAC... ♦ Manome 72 ora ny fitondrana foibe, hitady vahaolana amin'ny tsy fandriam-pahalemana sy ny delestazy any amin'ny Faritra Menabe ny Revolution Manabe. Nanao fambarana miantefa any amin'ny filoham-pirenena ity fikambanana ity, omaly...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...