Zoma 19 aogositra 2022 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra Lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 34-40
♦ Mpiasan'ny UNESCO tany an-dafy fa tsy olona eto Madagasikara no naka, ka niparitahan'ilay sary misy ny "étiquette"-n'ny valizin'ny Filoham-pirenena, nandritra ny diany tany ivelany. Nanazava ny momba ity raharaha ity androany, ny Talen'ny kabinetran'ny Fiadidiana ny Repoblika... ♦ Mbola manamafy ny antsony hisian'ny dinika eo amin'ireo mpisehatra pôlitika, ny Masoivohon'ny Vondrona Eorôpeanina eto amintsika. Nambarany fa zava-dehibe ny mifampiresaka, mialohan'ny fifidianana amin'ny taona 2023... ♦ Handray fepetra hisorohana ny tsy fitovian-kevitra miainga amin'ny firafitry ny lisitry ny mpifidy ny CENI...
♦ Telo ambin'ny folo andro sisa dia hanomboka ny Andro eran-tany ho an'ny Tanora na ny JMJ andiany faha-10, hatao ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe. Nihaona tamin'ireo pretra rehetra ao amin'ny Diôsezy omaly, ny evekan'Antsirabe... ♦ Niisa 85 ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Antananarivo Renivohitra tamin'ny volana jolay lasa teo iny. Saika olana ara-teknika no nahatonga ny loza niteraka faharatrana sy famoizana ain'olona... ♦ Ratsy ny voka-panadinana bakalorea ho an'ny Lisea any Vohipeno. Olana ara-tsôsialy no antony voalohany nahatonga izany, hoy ny tompon'andraikitra...
♦ Tokony ho tony ny mpanjfa solika eto Madagasikara, manoloana ny fahasahiranana hita tao ho ato. Ampy mandritra ny 25 andro ny tahirin-tsolika, hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Nampakatra saram-pianarana avokoa ny ankamaroan'ireo sekoly tsy miankina ao an-drenivohitra, ho an'ny taom-pianarana vaovao. Fisondrotana mifanaraka amin'ny fisondrotry ny vidim-piainana, araka ny nambaran'ny tompon'andraikitra... ♦ Niakatra ihany koa ny vidin'ny henomby na ny henan-kisoa eny an-tsena. Mihena ny fanjifan'ny mpanjifa, hoy ireo mpivaro-kena...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco