Tamin’izany andro izany, i Jesoa niatrana nijery an’ireo mpianany, ka nanao hoe: "Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa ho voky ianareo. Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hifaly ianareo. Ho sambatra ianareo raha hankahalain’ny olona, horoahiny amin’ny fikambanany, hotevatevainy ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ny Zanak’Olona. Mifalia ianareo amin’izany andro izany ary miravoravoa, fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra; fa tahaka izany koa no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany.
Fa loza ho anareo kosa, ry mpanan-karena, fa manana ny fahafaham-ponareo ianareo. Loza ho anareo izay voky ankehitriny, fa ho noana ianareo. Loza ho anareo izay mihomehy ankehitriny, fa hitomany sy higogogogo ianareo: Loza ho anareo raha hataon’ny olona tsara laza ianareo, fa tahaka izany no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany sandoka."
♦ Efa nivoaka avokoa ny valim-panadinana Bakalôrea manerana ny nosy. Ny faritanin'Antananarivo no nahitàna taham-pahafahana ambany indrindra, taorian'ny fivoahan'ny vokatra ny faran'ny herinandro teo... ♦ Marary mafy ary manaraka fitsaboana any amin'ny hopitaly ao Nosy-be efa ho herinandro izao, ilay mpanakanto Ninie Donie. Manao antso avo amin'ny fanjakàna mahefa hitsaboana azy aty an-drenivohitra ny eo anivon'ny RMDM... ♦ Namoaka gazety boky voalohany ny "Aumonerie catholique universitaire de Madagascar ny faran'ny herinandro teo. FANJARY no anaran'izy io, hivoaka isaky ny enim-bolana... ♦ Mangataka ny fahafahan'ireo voamaina avy any Rosia ahondrana eo amin'ny tsena iraisim-pirenena ny Firenena Mikambana...
22 aogositra — Ankalazaina amin’ity andro ity i Maria Mpanjakavavy. Mpanjakavavy i Masina Maria satria mitovy amin’ny zaniny izay Mpanjakan’izao tontolo izao.
Ny tena mampizotra antsika amin'ny lalan'ny fahamasinana dia ny fanekena hibebaka ka hanaraka izay rehetra natorin'i Kristy ao Evanjely, hiainana ny didim-pitiavana ary hanaiky hitondra ny hazofijaliny. Katesizy momba ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco