♦ Nanamarina ny fahatratrarana fiara lehibe iray nitondra hazo voamboana tany Vohitraivo Amparafaravola, ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana. Voatonona tamin'ity tranga ity ny anaran'ny olom-boafidy iray akaiky ny fitondrana... ♦ Andro faharoa amin'ny fitokonan'ny mpiraki-draharaha manerana ny nosy ny anio. Niveri-maina avokoa ireo nanan-draharaha teny amin'ny fitsarana Anosy omaly... ♦ Efa tafakatra ho 3000 Ar ny rano iray bidon any atsimon'ny nosy. Ahiana hiverina indray ny kere, hoy ny Solombavam-bahoaka voafidy any Ambovombe...
Ny fihariana nomerika dia ilàna fahafantarana zavatra maro. Tsy azo lavina intsony fa ny andavanandrom-piainan'ny malagasy dia tsy afaka misaraka amin'ny aterineto. Tsara arak'izany raha mianatra mifehy ireny fitaovana ireny mba hirosoana anatin'ny tontolo mivoatra hatrany. Fandaharana "miaina sy mitia", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
07 ôktôbra — Efa hatramin'ny taona 1547 no nankalazaina tany Espagne ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Raozery isaky ny alahady fahatelo amin'ny volana aprily. Ny papa Pie V kosa ny taona 1572 no nanambara fa fankalazana ny fetin'i Notre-Dame de la Victoire ny alahady voalohany amin'ny volana ôktôbra ho fisaorana sy fankasitra noho ny fandresena tao Lépante.
Ireto ny fahavalon'ny fifampiresahana ao an-tokantrano : fitohanana, tahotra, fiahiahiana, fankahalana, toe-tsaina manafinafina, fanamelohantena mialohan'ny fotoana, fahasahiana. Ny fahasahiana dia manimba ny fifampiresahana ao an-tokantrano... Katesizy momba ny fifanakalozan-kevitra ao an-tokantrano, iarahana amin'i P. Jean Luc Ratovonjanahary.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco