Sabotsy 8 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalanao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 27-28

Fohy dia fohy ny Evanjely anio, andininy roa monja. Na eo aza ny tsy finoana etsy an-daniny, eo koa etsy an-kilany ny fialonana sy ny ny fiampangana nataon’ny sasany an’i Jesoa ; ao koa anefa ireo nigaga ny zava-bitany, anisan’izany ity vehivavy anankiray ity izay maniry hanan-janaka tahaka an’i Jesoa. Sambatra ny kibo izay nitondra anao sy ny nono izay ninonoanao.

Ny valintenin’i Jesoa dia manampy antsika hahazo ny tena hasambarana sitrak’Andriamanitra ho an’ny olombelona rehetra. I Masina Maria no sambatra voalohany satria izy no nihaino ny tenin’Andriamanitra, nanao eny tamin’ny sitrapon’Andriamanitra hatrany hatrany teo amin’ny fiainany, izany hasambarany izany anefa tsy mandeha irery fa ho an’izay rehetra mihaino ny feon’ny zanany koa. Asain’i Jesoa hanahaka an’i Masina Maria ireo vehivavy velom-pialonana mitsiriritra ny fahasambarany.

"Nahavita be tamiko ilay Mahefa… ary indro antsoin’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho"

Hitombo ao amintsika anie ny finoana ny Tenin’Andriamanitra, ilay hany fanazavana ho an’ny lalantsika mba hahafahantsika mizotra ny tena lalam-pahasambarana soritan’Andriamanitra ho antsika. Amen.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...