♦ Nitokana zava-bita maro tany Nosy-Be, Faritra Diana, ny Filohan'ny Repoblika. Vaindohan-draharahan'ny fitondrana ny hahatonga ny fizahan-tany ao Nosy-Be ho fanoitra amin'ny fampandrosoana... ♦ Tanterahana eto Antananarivo ary hitohy anio ny fikaonan-doha momba ny fampandrosoana lovain-jafy aty amin'ny faritry ny Ranomasimbe Indiana, andiany voalohany... ♦ Tontosa soa aman-tsara ny famindram-pitantanana teo amin'ny Biraon'ny A6FM teo aloha sy ny Birao vaovao. Mangataka amin'ny fitondrana ny hampitomboana ny tetibola handraisana mpiasa vaovao ny sendikan'ny infirniera sy ny mpampivelona eto Madagasikara...

05 nôvambra — Ray aman-drenin'i Jean-Baptiste i Zacharie sy i Élisabeth, hitantsika ao amin'ny Baiboly ny tantaran'izy ireo. Sokajiana ho fianakavian'ny mpisorona izy raha ny tantara ao amin'ny Baiboly no jerena. Izy no ray aman-drenin'i Jean-Baptiste, ilay mpialoha lalana an'i Jesoa.

Ny feon'ny fieritreretana dia ny fandinihan-tena ao anatin'ny vavaka mba hivelomana ny tsara sy handosirana ny ratsy. Tsy mionona fotsiny amin'ny fanarahana ny lalàna ara-bakiteny ny fandinihan-tena fa mizotra mankany amin'ny fahalavorariana raha mitsinjo ny hafa. Ny feon'ny fieritreretana dia feon'Andriamanitra mibitsika mangina ao anatintsika. Katesizy momba ny feon'ny fieritreretana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.

Sabotsy 5 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 16, 9-15

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...