♦ Niharan'ny fisavana fanintelony indray ny tranon'Andriamatoa Rajaonah Mbola teny Ambohimahitsy, omaly alahady. Naharitra adiny efatra ny fisavana, hoy ny Me Rafidison Eric... ♦ Mazava ny andraikitry ny fiangonana, hoy ny FFKM nandritra ilay fiombonam-bavaka notanterahina teny amin'ny Ekar Md Misely Amparibe. Mbola misy anefa ireo mpanao politika miandrandra ny ho fandraisana andraikitry ny FFKM manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny... ♦ Baolina kitra aty Afrika, nifarana ny dian'ny ekipan'ny CFFA Andoharanofotsy, raha mbola afaka hanohy ny dingana manaraka ny ElgecoPlus...
19 septambra — Tao amin’ny diosezin’i Greneoble tao amin’ny tendrombohitr’i La Salette no niseho i Masina Maria ny 19 septambra 1846. Tovolahy kely 11 taona sy tovovavy kely 14 taona no nofidian’i Masina Maria hilazana ny hafatra. Mpiandry ondry izy ireo : i Maximin Giraud ilay tovolahy kely sy i Mélanie Calvat kosa ilay tovovavy.
Alatsinainy 19 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 8, 16-18
Natao hifameno sy hifanohana amin'ny lehilahy eo amin'ny fiainana ny vehivavy. Loharano hametrahana ny aina sy hitohizan'ny aina ary hipoiran'ny aina izy ka mila hajaina sy apetraka tsara amin'ny anjara toerana nanaovan'ny Nahary azy. Endriky ny lalana izy ieny raha mandeha ary haingon'ny tokantrano raha mipetraka. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco