Fanabeazana maha-olona no atao fa tsy sanatria fibaikoana biby. Koa raha manao adalana izy dia aoka ho ampahafantarina azy ny hadisoany : ampianaro handinika izy ; atoroy azy ny lala-mahitsy tokony hizorany ; hajao koa anefa ny safidy maha-olona azy satria ao anatin'ny fahafahana no maha hendry ny olombelona fa tsy ao anatin'ny fangejàna. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Zoma 16 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 8, 1-3
♦ Nitatitra ny famotorana nataony momba ny raharaha tany Ikongo androany, ny eo anivon'ny Zandarimarim-pirenena. Tsy fidiny ny nampiasana basy nisian'ny fatiolona, hoy ny Sekreteram-panjakna miadidy ny Zandarimariam-pirenena... ♦ Nanao fanadihadiana mahaleo tena ny CNIDH, manoloana ilay raharaha tany Ikongo. Naharitra 20 segondra ny tifitra nataon'ny Zandary, hoy ny tatitry ny Vovonam-pirenena misahana ny Zon'olombelona navoaka androany teny Antsahavola... ♦ Hiroso amin'ny fitokonana ao aorian'ny fampahafantarana ny tompon'andraikitra, ireo mpiasa eo anivon'ny fampianarana ambony...
♦ Nifarana tamin'ity herinandro ity ny fe-potoam-piasan'ny mpikambana ao amin'ny komitin'ny Fampihavanana Malagasy "CFM". Ny sekretera mpanatanteraka no misahana ny fampandehan-draharaha andavanandron'ny CFM... ♦ Manomana fombafomba hamitranam-pihavanana manoloana ny raharaha nitranga tany Ikongo ny fiombonamben'ny Tangalamena eto Madagasikara. Tsy nahafoana ny disadisa nisy ny nanoloran'ny zandary omby namintranam-pihavanana andro vitsy taorian'ny tifitra nahafaty olona am-polony hoy izy ireo... ♦ Ny fahantrana lalina mimpaka amin'ny vahoaka malagasy sy ny tsy fahatokisana ny mpitandro filaminana no mampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana hoy ny antoko Madagasikara ho an'ny Malagasy...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco