Mivavaka ho an'ny fanahin'ireo nodimandry ao amin'ny afo fandiovana isika mba hitalahoana ny famindram-pon'Andriamanitra ho an'ny fanahin'izy ireo. Mba hahafahana manana ny fahamasinana ilaina idirana any amin'ny fiainana mandrakizay, ireo nodimandry ao amin'Andriamanitra dia mandalo ao amin'ny afo fandiovana, dingana hanafahana azy ireo tanteraka amin'ny fahotana. Fandalinam-pinoana momba ny afo fandiovana irahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Émilien

♦ Mitentina 924 tapitrisa dolara ny tetibidin'ilay lalambe mikodana hampitohy an'Antananarivo sy Toamasina, izay heverina ho vita ao anatin'ny efa-taona... ♦ Manao ady sisika amin'ny tokony hampiakarana ny tetibola iasan'ny Minisiteran'ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy, ireo fiarahamonim-pirenena... ♦ Manimba ny asa fanaovan-gazety, ary manapotika ny fiaraha-monina ny fitobahan'ny vaovao tsy marina, na eo anivon'ny haino vaky jery na ny tambazotran-tserasera...

04 nôvambra — Teraka ny 02 ôktôbra 1538 i Masindahy Charles Borromée, tao amin'ny Château d'Arona. Vao roa ambin'ny folo taona monja izy dia nandova trano fitokana-monina tamin'ny fianakaviany. Teo amin'ny faharoa amby roapolo taonany izy dia nofidin'ny papa ho kardinaly. Dadatoany moa ity papa ity, havany avy amin'ny reniny.

Eo amin'ny fianana maha-kristiana dia ao anatin'ny vavaka hatrany no tokony hanaovana ny fandinihan-tena. Ny fandinihan-tena amin'ny alalan'ny fampiasana ny feon'ny fieritreretana no mampivoitra ny tena Fiainana, izany hoe, tsy mitondra mankany amin'ny lalandison'ny fandravana sy ny fahafatesana mandrakizay. Katesizy momba ny feon'ny fieritreretana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...