Mamondron-kery miaro ny tontolo iainana sy mitaky ny rariny sy ny  hitsiny amin'ny lafiny rehetra ho an'ny vehivavy tantsaha ireo vehivavy miantsehatra eny ambanivohitra eto Madagasikara na ny FARM "Femme en Action Rurale de Madagascar". Fikambanana mitaky ny zon'ny vehivavy tantsaha amin'ny sehatr'asa ilofosany sy ny fiainany amin'ny maha-olona azy.

Mamaritra ny 43% amin'ny mponina eny ambanivohitra izay mandrafitra ny 80%-ny malagasy ny vehivavy tantsaha. Ny 60% amin'ireo vehivavy tantsaha ireo nefa hoy Ramatoa Ravoniarisoa Hantanirina Lylia, filoha nasionalin'ny FARM dia mamelona samy irery ny ankohonany ny ankamaroany. Tranga heverin'ny FARM fa tsy rariny eny anivon'ny fiaraha-monina, ka mba ahafahana misitraka ny zo no antony ivondronan'izy ireo anaty fikambanana.

Paik'ady efatra no entin'ny FARM manatratra ny tanjona nofaritany. Voalohany ny fanapariahana ny vaovao eny ambanivohitra, ary ny faharoa ny fampiroboroboana ny ara-toekarean'ny mpikambana. Paik'ady fahatelo ny fampiharana ny fambolena miaro ny tontolo iaianana ary ny paik'ady fahaefatra farany ny fanamafisana ny firaisan-kina... 

Manentana sy mampita hafatra ho an'ny rehetra ny amin'ny voka-dratsin'ny fiovaovan'ny toe-tany amin'ny fiainan-janak'olombelona koa ny FARM. Miantso ny olom-pirenena tsy ankanavaka hitandro ny tontolo iainana mba ho tontolo lovain-jafy.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...