♦ Tapaka teo anivon'ny asam-baomiera teny amin'ny Antenimieram-pirenena androany, ny hananganana vaomiera hanao fanadihadiana parlemantera tamin'ny zava-nitranga tany Ikongo. Handalo fankatoavana amin'ny alalan'ny fivoriana itambaramben'ireo Solombavam-bahoaka izany, ny 15 nôvambra izao... ♦ Minatso ireo mpiara-miasa aminy eo anivon'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Malagasy, hiaro ny fiandrianam-pirenena sy hanaja ny tombontsoa ambonin'ny firenena, ny Minisitra mpisolo toerana, ny Jeneraly Rakotonirina Léon Richard...
♦ Seminarista 76 mirahalahy no natokana ho mpamaky teny sy mpanotrona, tamin'ny fankalazana ny fetin'i Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely, mpiaro ny toeram-piofanana momba ny teôlôjia ao Faliarivo Antananarivo... ♦ Notanterahana tamin'ny 3 hatramin'ny 5 nôvambra 2022, ny Filankevitry ny Talen-tsekoly Katôlika rehetra avy ao amin'ny Diôsezin'Ambanja. Ka Talen-tsekoly miisa 56 no nandray tamin'izany... ♦ Nankalaza ny fetiny ny 6 nôvambra 2022 ny Distrika Misiônera Avaratsena, eo ambany fiarovan'i Masindahy Joany Paoly Faharoa...
♦ Nihazo an'i Ejipta ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina, hanatrika ilay fikaonandoha eran-tany momba ny fiovaovan'ny toetr'andro na COP27. Handray fitenenana anoloan'ireo mpivory izy rahampitso talata... ♦ Tokony hajanona ny fifanenjehana sy fifanaratsiana eto amin'ny firenena hoy Andriamatoa Augustin Andriamananoro. Misy ny lesoka amin'ny fitantanana, nefa tsy voatery ho voafehy ny zava-mitranga, hoy ity mpanao pôlitika mpomba ny fitondràna ity... ♦ Hihena ny isan'ireo mpampianatra hisitraka ilay vola fanampiana ho an'ny mpampianatra amin'ny sekoly tsy miankina amin'ity taona ity. Miléa hanokanana teti-bola misimisy ny fampianarana tsy miankina, hoy ireo mpitantana sekoly...
♦ Hiverina an-tsekoly indray ny mpianatra manerana ny nosy manomboka anio, rehefa nahazo fialan-tsasatra herinandro. Hiatrika ny roa volana faharoa amin'ity taom-pianarana 2022-2023 ity izy ireo amin'izany... ♦ Nahavita ny kôngresiny ny antoko AVANa, anatin'ny vovonana manohana ny fitondràna ny faran'ny herinandro teo. Mangataka ny mbola hirotsahan'ny filoham-pirenena ankehitriny ho fidiana amin'ny taona 2023 ity antoko ity... ♦ Misaona ny zava-kanto malagasy. Nodimandry omaly maraina teo amin'ny faha-71 taonany ny mpanakanto DEDESSE. Notsaboina tany Antsiranana izy izao nindaosin'ny fahafatesana izao...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco