♦ Manana hafatra ny fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara ho an'ny mpiantsehatra rehetra... ♦ Voaantsoa eny amin'ny fitsaràna eny Anosy anio i Mehery Lanto Manandafy na i Malama, taorian'ny fitazomana azy am-ponja, izay efa ho roa volana... ♦ Nampidirina am-ponja eny Tsiafahy ny solombavambahoakan'i Mahabo teo aloha i Leva. Manara-maso akaiky ny fizotran'ny raharaha ireo olona nitory azy... ♦ Mpanao gazety iray avy amin'ny BBC no voasambotra sy voakasi-tanana teo am-panatanterahana ny asany, nandritra ny fandrakofana ny hetsika nanoheran'ireo sinoa ny pôlitika Zero covid any Chine...

28 nôvambra — Teraka tao Monteprandone tao Marche d'Ancône ao Italie tamin'ny taona 1391 i Masindahy Jacques de la Marche. Rehefa nieritreritra ny hisafidy izay toe-piainana arahiny izy dia nihevitra ny hirotsaka ho chartreux, nefa noho ny fifandraisany tamin'ny fransiskanina dia nanapa-kevitra izy ny hiditra tao amin'ny fikambanan'ny fransiskanina.

Ny vola no hozatry ny fiainana hoy ny fomba fiteny. Ny fitiavan-karena dia avahana mazava tsara amin'ny fampiasana ny vola ho toy ny fomba hahazoana fifaliana sy hiatrehana ny tena zava-misy eo amin'ny fiainana. Tena loza ny fiheverana fa ny zava-dehibe indrindra eo amin'ny fiainana dia ny vola. Maro ny zavatra tsy azo vidiana amin'ny vola. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.

Alatsinainy 28 nôvambra 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Ny Tompo no mpitsara antsika, ny Tompo no Mpanjakantsika. Izy no hamonjy antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 5-11

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...