Ny fiainana dia ny fampifanarahana ny finoana amin'ny atao. Ezahina tsy hisy fifanoherana izay tanterahina sy ny inoana. Mila resena sy alavirina izay rehetra mety ho endrika : fangalarana, fisolokiana, fanambakana, fanararaotana, risoriso, lainga. Ny zavatra ilaina dia ny firindràna tanteraka eo amin'ny eritreritra, ny teny ary ny fihetsika. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.

Alarobia 30 nôvambra 2022 — Masindahy André, Apôstôly — Fankalazana — Avia hanaraka Ahy, hoy ny Tompo fa hataoko mpanarato olona ianareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 4, 18-22

♦ Notanterahan'ny CENI androany, ny atrikasa tomban'ezaka anatin'ny antsasa-dalana amin'ny fanavoazana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy ny rejisi-pifidianana nasiônaly. Mbola vao ny 37%-n'ny tanjona napetraky ny CENI no tratra, roa volana aty aorian'ny nanombohan'ny asa... ♦ Mifanakalo hevitra sy mamantatra ny zava-misy mandrindra ny roa andro eny Alarobia, amin'ny fifanakalozana ara-barotra eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, mandritra ny dinika nasiônaly amin'ny fanamby amin'ny ZLECAF, ireo mpisehatra amin'izany...

♦ Namoahan'ny PAC, didy fampisamborana ny Tale Jeneralin'ny Jirama, sy tompon'andraikitra ambony roa hafa. Tale telo ihany koa no nampidirina vonjimaika eny Antanimora, tao aorian'ilay fanadihadiana olona 37, omaly... ♦ Misy hakan'ny Kaominina Antananarivo hetran-trano hatramin'ny 21 tapitrisa Ariary ireo sekoly tsy miankina amin'ny finoana ao an-drenivohitra. Manao antso avo amin'ny mpitantana sy ireo mpanolo-tsain'ny tanana izy ireo... ♦ Manomboka miparitaka eto amintsika indray ny aretina Covid-19. Olona iray no maty, 5 hafa anaty fahasarotana, ankoatra ireo tranga 194 hita tao anatin'ny herinandro...

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...