Bokin’i Izaia Mpaminany 54, 1-10
Mihobia an-kafaliana, ry momba, izay tsy niteraka;
mampisehoa hafaliana sy firavoravoana lehibe, ry tsy mba nihetsi-jaza;
fa ny zanak’ilay nariana no maro,
noho ny zanak’izay manam-bady, hoy ny Tompo.
Halalaho ny itoeran’ny lay, velaro ny ambaim-ponenanao,
aza hazonina fa alefaso ho lava ny tadinao,
ary aoreno mafy ny tsima-day!
Fa hitatra miankavanana sy miankavia ianao;
ary haka fonenana amin’ny firenena ny taranakao;
ary hanisy mponina amin’ny tanàna lao Izy.
Aza matahotra, fa tsy ho menatra ianao;
aza mangaihay, fa tsy hisy hahamenatra anao;
fa hanadino ny henatry ny fahatanoranao ianao;
ary tsy hahatsiaro intsony ny tondromaso, fony mpitondratena.
Fa ny vadinao dia ny Mpahary anao; Tompon’ny tafika no Anarany,
ary ny Mpanavotra anao dia Ilay Masin’i Israely.
Andriamanitry ny tany aman-danitra no iantsoana Azy.
Hoatra ny vady nafoy sy tra-pahoriana no ampodian’ny Tompo anao,
hoatra ny vadin’ny fahatanorana efa nisaorana, hoy ny Andriamanitrao.
Vetivety foana, kelikely foana no nahafoizako anao,
fa amin’indrafo lehibe kosa no amoriako anao.
Tamin’ny firehetan’ny hatezerako
no nanafenako vetivety ny tavako taminao,
fa amim-pitiavana mandrakizay kosa no angorahako anao,
hoy ny Tompo Mpanavotra anao.
Dia ho toy ilay ranon’i Nôe izany amiko,
nony nianiana Aho fa ilay ranon’i Nôe
tsy hiely intsony amin’ny tany:
toy izany koa no nianianako
fa tsy ho tezitra aminao na handrahona anao intsony Aho.
Na dia hihataka aza ny tendrombohitra ka hihozongozona ny havoana,
ny fitiavako tsy mba hiala aminao,
ary ny fanekem-pihavanako tsy mba hikorontana,
hoy ny Tompo ilay mangoraka anao.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 29, 2 sy 4. 5-6. 11-12a sy 13b
Izaho midera ny Tompo izay nanafaka ahy:
tsy navelanao hifalian’ny fahavaloko aho!
Ny fanahiko, ry Tompo ô, nakarinao avy any an-tSeoly;
novelominao aho izay efa nitsìtra tany an-davaka.
Antsao ny Tompo, ianareo mpivavaka! Isaory ny Anarany masina!
Indray mihelina Izy vinitra; tontolo fiainana manambina.
Hariva, mialin-tomany; maraina, velon-kalo.
Mandrenesa, ry Tompo, iantrao aho! Tompo ô, tahio aho!
Navadikao ho dihy ny toreoko.
Ry Tompo Andriamanitro ô, mandrakizay no isaorako Anao.
Aleloia. Aleloia.
Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany,
dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka 7, 24-30
Nony lasa ny irak’i Joany,
dia nambaran’i Jesoa tamin’ny vahoaka ny aminy ka hoy Izy:
“Hizaha inona no nalehanareo tany an’efitra?
Volotara hozongozonin’ny rivotra va?
Sa hizaha inona no nalehanareo tany?
Lehilahy tsara fitafiana va?
Raha izay tsara fitafiana sy manao fiainana,
dia any an-tranon’ny mpanjaka no itoerany.
Sa hizaha inona no nalehanareo tany?
Mpaminany va?
Eny, hoy Aho aminareo, ary ambony noho ny mpaminany aza.
Fa Izy no ilay voasoratra hoe:
Indro Aho maniraka ny anjeliko eo anoloanao
mba hamboatra lalana eo alohanao.
Koa lazaiko aminareo fa amin’izay natera-behivavy
tsy misy mpaminany lehibe noho i Joany Batista,
nefa izay kely indrindra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, no lehibe noho izy.
Ary ny vahoaka rehetra izay nandre azy mbamin’ny poblikanina
na dia nanamarina an’Andriamanitra, tamin’ny nandraisany ny batemin’i Joany;
fa ny Farisianina sy ny mpampiana-dalàna kosa
nanatsinontsinona ny fikasan’Andriamanitra ny aminy
tamin’ny nandavany ny batemin’i Joany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Izaia Mpaminany 45, 6b-8. 18. 21b-25
“Izaho no Tompo, ary tsy misy hafa.
Izaho no mamorona ny mazava, sy mahary ny maizina;
manao ny fiadanana sy mahary ny loza;
Izaho Tompo no manao izany rehetra izany.
Ampidino, ry lanitra, ny andonao avy any ambony;
ary aoka ny rahona
handatsaka ny fahamarinana toy ny ranon’orana!
Aoka ny tany hisokatra, hahavokatra ny famonjena,
ka hampitsimoka ny fahamarinana miaraka amin’izany!
Izaho Tompo no mahary ireo zavatra rehetra ireo.”
Izao no lazain’ny Tompo, izay nahary ny lanitra,
Izy dia ilay Andriamanitra namorona ny tany
sy nahavita ary nampiorina azy,
ka tsy nataony ho zava-mifanjevo foana,
fa nataony ho fonenana:
“Izaho no Tompo, ary tsy misy hafa!
Ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
Izaho no Andriamanitra marina,
ary tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.
Mitodiha aty amiko dia hovonjena ianareo,
ianareo rehetra mponina amin’ny tany,
fa Izaho no Andriamanitra ary tsy misy hafa.
Efa nianiana tamin’ny Tenako Aho;
ny marina no aloaky ny vavako, dia ny teny iray,
izay tsy hofoanana.
Ny lohalika rehetra handohalika amiko,
ary ny lela rehetra hianiana amiko.
Izao no hilazan’ny olona Ahy:
Amin’ny Tompo irery no mitoetra
ny fahamarinana sy ny hery!”
Hanatona Azy ny olona,
fa ho menatra kosa izay rehetra tezitra taminy.
Hohamarinina sy homem-boninahitra
ao amin’ny Tompo avokoa ny taranak’i Israely rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 84, 9ab-10. 11-12. 13-14
Mba tiako tokoa ny handre Azy Tompo,
mirary fiadanana ho an’ireo tiany,
mirary fiadanana ho an’ireo olo-miandrandra ny tavany.
Akaiky izay mino Azy Tompo ny vonjy.
Honenan’ny lazany ety amintsika
koa indro mihaona tokoa ny indrafo sy ny fahamarinana.
Ny rariny ombam-piadanana hatrany,
ny hitsiny hita mitsiry amin’ny tany,
mitsinjo avy eny amin’ny rahon’ny lanitra koa ny rariny.
Handrotsaka orana anie Izy Tompo,
izay hampamokatra tsara ny tany
fa lalan-kizoran’ny Tompo ny rariny ombam-piadanana.
Aleloia. Aleloia.
Tongava, ry Tompo, ary aza ela:
vahao ny fatoran’ny vahoakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka 7, 19-23
Tamin’izany andro izany
niantso roa lahy tamin’ny mpianany i Joany
nalefany ho any amin’i Jesoa hanao aminy hoe:
“Ianao va no Ilay ho avy,
sa mbola hafa no handrasantsika?”
Nony tonga tany aminy ireo dia nanao hoe:
“Nirahin’i Joany Batista hankatý aminao izahay
hanontany raha Ianao no Ilay ho avy,
na mbola hafa no andrasantsika.”
Tamin’izay indrindra i Jesoa
dia nanasitrana olona maro
niferinaina tamin’ny aretina sy ny rofy ary ny fanahy ratsy,
sady nampahiratra jamba maro koa,
koa izao no navaliny an’ireto iraka:
“Mandehana lazao amin’i Joany izay zavatra renareo sy hitanareo:
mahiratra ny jamba, mandeha ny mandringa,
madio ny boka, malady ny marenina, mitsangan-ko velona ny maty,
torîna amin’ny mahantra ny Evanjely,
ary sambatra izay rehetra tsy ho tafintohina noho ny amiko.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Tanan-dehibe maro mponina indrindra ny eto Antananarivo renivohitra, ary tsy afa-miala amin'ny vokatry ny fiovan'ny toetrandro fa mila miatrika na mitady fomba fanalefahana ny voka-dratsiny. Ndeha isika hanova fomba fiainana hiarovana ny tranobe iombonana. Kajio ny tontolo iainana, rehefa tsy mandoto isika dia efa isan'ireo miaro ny tontolo iainana ihany. Ny vahaolana amin'ny fiovan'ny toetrandro dia miantomboka amin'ny fandraisan'andraikitry ny tsirairay noho izany dia samia isika manao ezaka toy ny : fambolen-kazo sy ny fanajana ny fahadiovana...
02 desambra — Teraka tao Rome i Viviane, na i Bibiane ary fanta-daza tamin'ny toe-panahy kristianina sy ny fiandrianana ny fianakaviana. Flavien no rainy, préfet tao Rome izy io, ary nampidirin'i Julien tany am-ponja satria nibebaka ho kristianina. Nalefa sesitany tany Toscane izy ary maty tany.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco