♦ Hotanterahana ny 12 febroary 2023 ny fametrahana araka ny fomban'ny Fiangonana an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz ho evekan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Hankalazaina  ny 15 janoary 2023 ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Donatien Francis Randriamalala ao amin'ny Diosezin'Ambanja... ♦ Manentana ny kristianina maneran-tany, ny Papa François, amin'ity volana desambra ity, mba hahitan'ny sampan-draharaha miahy ny maha olona, olona vonona hikatsaka ny soa iombonana...

Manana drafitr'asa vaovao 2023-2025 hampandrosoana ny lalam-pihariana ronono manerana ny nosy ny Malagasy Dairy Board na ny MDB. Natolotra tamin'ireo mpisehatra samihafa misahana ny fiompiana indrindra ireo misehatra amin'ny lalam-pihariana ronono, tamin'ny alalan'ny atrik'asa teny Antanimena izany drafitr'asa vaovao izany ny 25 nôvambra 2022 teo... 

♦ Nanao fanambrana ny Holafitry ny mpanao gazety, manoloana ny raharaham-pitsarana sedrain'ny mpanao gazety miisa roa... ♦ Ho fantatra amin'izao faran'ny herinandro izao, ary handray ny asany amin'ny alatsinainy, ireo tompon'andraikitra vaovao handray ny fitantanana eo anivon'ny orinasa Jirama... ♦ Andro faharoa amin'ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Faritra na ny JIR, andiany fahadimy, izay atao any amin'ny Faritra Ihorombe, ny anio...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany 56, 1-3a. 6-8

Ny tranoko hatao hoe: Trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra.

Izao no lazain’ny Tompo:
Tandremo ny hitsiny ary araho ny rariny,
fa efa akaiky ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako.
Sambatra ny olona hanao izany,
sy ny zanak’olombelona hifikitra mafy amin’izany,
ka hitandrina ny sabata, tsy mandika azy,
sy hifehy ny tanany tsy hanao ratsy akory!
Aoka ny hafa firenena efa nifikitra tamin’ny Tompo tsy hanao hoe:

“Hoesorin’ny Tompo marina aho,
tsy ho isam-bahoakany.”

Ary ny hafa firenena izay mifikitra amin’ny Tompo
mba hanompo Azy sy ho tia ny Anarany ary ho mpanompony;
izay rehetra mitandrina ny sabata fa tsy mandika azy,
sy miraikitra mafy amin’ny fanekeko,
dia hoentiko ho ao an-tendrombohitra masina,
sy hampifaliako ao an-tranoko fivavahana,
hankasitrahina eo ambony ôtely ny sorony dorana aman-tsorony:
fa ny tranoko hatao hoe:

“Trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra”

— teny marin’ny Tompo — izay mamory ny lasan-ko babo amin’i Israely!
Mbola hamory ny sasany koa Aho ho eo aminy,
hanampy ireo efa voavory sahady.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 66, 2-3. 5. 7-8

Hidera Anao ny vahoaka, ry Andriamanitra, hidera Anao ny vahoaka rehetra.

Hiantran’Andriamanitra anie isika hotsimbininy;
ka hataony mamiratra eo amintsika ny tavany.
Dia ho fantatry ny olona eran-tany ny herinao,
ka hanerana ireo firenen-drehetra ny vonjinao.

Aoka hifaly sy hiantsa ny firenena isan-tokony,
fa Ianao dia mitsara azy rehetra ireny ara-drariny.
Fa Ianao dia mitsara vahoaka araka ny hitsiny
sy manjaka amin’ireo firenen-drehetra isan-tokony.

Fa ny tany volena tsy misy izay tsy mamokatra.
Andriamanitra mantsy Andriamanitsika: mitsimbina.
Enga anie ka hitsimbina antsika hatrany Andriamanitra,
ka ho masina eran’ny vazan-tany ny Anarany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampodio izahay, ry Tompo Andriamanitray ô,
ny tavanao aseho dia ho voavonjy izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany 5, 33-36

I Joany dia jiro nirehitra sy nazava.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Jody nanao hoe:

“Naniraka tany amin’i Joany ianareo, ary nanambara ny marina izy.
Tsy dia ny fanambarana avy amin’ny olona anefa no iankinako,
fa ny mba hahavoavonjy anareo no hilazako izany.
I Joany dia jiro nirehitra sy nazava,
ka nahafinaritra anareo sy nifalianareo vetivety ny fahazavany.
Fa manana fanambarana manoatra ny an’i Joany Aho,
satria ny asa nomen’ny Ray hovitaiko sady ataoko tokoa
no manambara fa iraky ny Ray Aho.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...