8 septambra 2023 — Ny nahaterahan'i Masina Maria Virjiny — Fankalazana — Sambatra ianao, ry Masina Maria Virjiny, tena mendrika tokoa ny fanajana rehetra, satria tao aminao no nipoiran’ilay Masoandrom-pahamarinana: dia i Kristy Andriamanitsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 1, 1-16. 18-23)

♦ Kandidà roa tamin'ireo 28 nanatitra taratasy firotsahan-ko fidiana teny amin'ny HCC, no nitsoaka an-daharana hatramin'ny androany. Anisan'ireny ny Solombavam-bahoaka Masy Goulamaly... ♦ Hiroso amin'ny fampiasana ny teknôlôjia vaovao ny Fadintseranana, amin'ny fikirakirana taratasy momba ny fiarakodia hampidirina eto amintsika... ♦ Mbola mandringa ny lalàna eto amintsika, hanenjehana ireo mpanao herisetra ara-nofo eny anivon'ny sekoly sy ny Anjerimanontolo. Manao adisisika hanatsarana izany ny ONG Tolontsoa...

♦ Handrasana hatramin'ny sabotsy 9 septambra izao farafahatarany ny anaran'ireo kandidà afaka hifaninana amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena ny 9 novambra. Nisitona ny firotsahan-ko fidiana indray moa omaly ny kandidà Masy Goulamaly.... ♦ Mandalo eto Madagasikara ny iraka manokan'ny OIF. Nihaona tamin'ny Praiministra Ntsay Christian izy ireo. Niompana tamin'ny zotram-pifidianana eto amintsika ny dinika natao tamin'izany.... ♦ Hotanterahana anio hariva any Angola ny lalao miverina eo amin'ny Barean'i Madagasikara sy ny ny ekipam-pirenena Angolais ho an'ny baolina kitra. Vonona hibata fandresena ny ekipa tarihan'i Maître Rôrô...

Ireo dingana efa nolalovan'ny fandaharana "mba ho vanona" : Ny ambaratonga voalohany dia ny fitiavana ; ankehitriny dia eo amin'ny ambaratonga faharoa isika izao, dia ny firesahana ny safidy, ity farany dia harena nomen'Andriamanitra ny olombelona. Ny olona tompon'andrikitra dia olona manana vina sy tanjona, isan'ambaratongany... Fandaharana "mba ho vanona" iaraha-miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...