♦ Notanterahana androany teny amin'ny EKAR Antanimena, ny Sorona Masina fitsofan-drano sy fanirahana an'i Mgr Rakotojaona Jean Nicolas, voatendry ho Eveka Mpanampy any amin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Nanomboka androany ny andiany faharoa amin'ny fikaonan-doha eo amin'ny fanjakana sy ny mpandraharaha mpisehatra ara-pambolena, na ny Forum B2B. Mampiantrano fihaonana iraisam-pirenena avo lenta momba ny lalam-piariana cacao ihany koa i Madagasikara...

♦ Nomeloin'ny fitsaràna higadra an-tranomaizina 5 taona sazy mihatra, miampy onitra sy lamandy Andriamatoa Rasoamaharo. Nivoaka ny maraina teo ny didy momba ny raharaha hanenjehina ity mpitantana ny La Gazette de la Grande île ity... ♦ Manahy ny VAMI fa sao fandrebirebena tsy hampisy fifidianana amin'ity taona ity ny tsy hanitsian'ny fitondràna ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana. Tsy ho ampy hanomànana fifidianana tsara karakara ny teti-bola ao anatin'ny LFI hoy ity antoko ity...  ♦ Hifandona amin'i Ghana eny amin'ny Kianjan'i Mahamasina ny alahady izao ny Barean'i Madagasikara. Miatrika fampivondronana nanomboka omaly ireo mpilalao, izay efa eto an-toerana avokoa ny ankamaroany...

Ny atao hoe "Andravana" dia isan'ireo lahabolana amin'ny endrika hira. Ny "andravana" dia fanao amin'ny fotoana fiaretan-tory mandritra ny fiandrasam-paty. Ny "andravana" dia ny foko betsileo no tena manao azy ary amin'ny fotoanan'ny fahoriana ; misy karazana "andravana" ihany koa aty an-kibon'Imerina fa kosa , ity farany, dia hira fanaon'ireo havana na namana tavela an-tanàna, entina hirariana ny soa sy ny tsara ho an'ireo vatan-dahy lasa niantafika. Fandaharana "Filira" sokajy Riba.

♦ Neken'ny Papa François ny taratasy fametraham-pialan'i Mgr Jean Claude Randrianarisoa, hitsahatra amin'ny fitantanana ny diôsezin'i Miarinarivo. Voatendry handimby azy vonjimaika Mgr Fabien Raharilamboniaina...  ♦ Tsy maintsy hisy ny ady hevitra eny Tsimbazaza eo amin'ny Governemanta sy ireo Solombavambahoaka hoy ny filohan'ny Antenimieram-pirenena...  ♦ Ankizy tsy ampy taona miisa 10.000 no miasa amin'ny fitrandrahana Eladrano any amin'ny Faritra Anôsy, Androy ary Atsimo-Andrefana. Nampahafantarina omaly ny vokatry ny fanadihadiana momba izany, niarahana tamin'ny tetik'asa JOFA ACTE...

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...