♦ Neken'ny Papa François ny fametraham-pialan'i Mgr Jean Claude Randrianarisoa, Evekan'i Miarinarivo, hitsahatra amin'ny fitantanana ara-pastôraly io Diôsezy io... ♦ Notsipahan'ny HCC fanindroany indray, ilay tolo-dalàna momba ny fizakan-tenan'ny Oniveristem-panjakana sy ny foibem-pikarohana nasiônaly... ♦ Tsy maintsy hisy ny fihaonana arahana ady hevitra eo amin'ny Solombavam-bahoaka sy ny mpikamban'ny Governemanta, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, androany...
♦ Neken'ny Ray masina François, ny taratasy fametraham-pialana nataon'i Mgr Jean Claude Randrianarisoa, Evekan'ny Diôsezin'i Miarinarivo, hitsahatra amin'ny fitantanana ara-pastôraly io Diôsezy io... ♦ Efa tafiditra tanteraka ao anatin'ny fandaminana ny Diôsezin'Antananarivo izay mpandray ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy, andiany faha-3... ♦ Ao anatin'ny fakalazana ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, dia misy ireo hetsika samihafa izay tontosain'izy ireo. Ao anatin'izany ny "JOTI Centenaire" sy ny Lasy nasiônaly, izay hotanterahanan'ny isan-diôsezy...
♦ Tokony atao mangarahara ny fampahafantarana momba ny fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakàna hoy ny fikambanana SONOSE MADA. Mangataka ny hanafainganana ny fizaràna ny fifanarahana arak'asa ho an'ireo mpampianatra nivoaka teny amin'ny ENS izy ireo... ♦ Mbola ambany raha mitaha amin'ny fenitra napetraka ny tahan'ny teti-bola atokana amin'ny fikarohana sy ny fandrosoana mihoatra amin'ny harin-kerena faobe raha ho an'i Afrika, isan'izany isika eto Madagasikara... ♦ Hankalaza ny faha-15 taona nijoroany ara-panjakàna ny fikambanana Apinga. Fikambanana nanandratra sy nampiroborobo ny teny malagasy... ♦ Mihatsara ny fahasalaman'i Papa François, taorian'ny fandidiana azy...
Neken’ny Ray Masina Papa Fransoa ny taratasy fametraham-pialana nataon’i Mgr Jean Claude Randrianarisoa, Evekan’i Miarinarivo, hitsahatra amin’ny fitantanana ara-pastoraly io diôsezy io. Notendren’i Papa niaraka tamin’izany fanekena izany ihany koa ny Eveka hitantana vonjimaika ny diôsezin’i Miarinarivo dia i Mgr Fabien Raharilamboniana, Evekan’i Morondava ankehitriny sady Filohan’ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara.
• Fiombonam-bavaka sy fiaraha-mientana amin'ny fanohanana sy fanampiana ny seminera no fandaharam-potoana isaky ny fetim-bokatry ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Zanaky ny Fiangonana miisa 220 mianadahy no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana omaly, namaranana ny fitsidihana pastoraly tao amin'ny Distrikan'Ambohimena, Diosezin'Antsirabe... • Nosokafana tamin'ny sabotsy teo teny amin'ny EKAR Masimbavy Anne Anjomakely, ny faha-10 taonan'ny Ansiklika Laudato Si...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco