8 septambra 2023 — Ny nahaterahan'i Masina Maria Virjiny — Fankalazana — Sambatra ianao, ry Masina Maria Virjiny, tena mendrika tokoa ny fanajana rehetra, satria tao aminao no nipoiran’ilay Masoandrom-pahamarinana: dia i Kristy Andriamanitsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 1, 1-16. 18-23)

Fankalazana ny nahaterahan’i Masina Maria virijiny anio, ary andro anavaovan’ny relijiozy maro ny fanoloran-tenany amin’Andriamanitra, koa an’isan’izany ireo novisy ao amin’ny Fikambanana salezianin’i Don Bosco. Ao anatin’izay fankalazana izany indrindra no anasan’ny Fiangonana antsika handalina ny tantaran’ireo razam-ben’i Jesoa sy i Masindahy Josefa, fofombadin’i Masina Maria.

I Jesoa irery ihany no tanjon’ny tantaran’ny fampanantenan’Andriamanitra. Izy irery ihany no Mesia ary ao aminy no ahatanterahan’ny fampanatenan’Andriamanitra. Ny fahasoavan’Andriamanitra no nitantanana ny tantaram-pamonjena raha jerena ireo andiana vehivavy mandrafitra izany tantara izany. Ary io fahasoavan’Andriamanitra io ihany koa no nambomba an’i Masina Maria ka nahatonga azy handray anjara mavitrika amin’ny tantaram-pamonjena ihany koa.

Vokatry ny herin’Andriamanitra tsy toha irery ihany ny fahaterahan’i Jesoa Kristy. Nampikorontana ny sain’i Josefa izany satria zava-baovao teo amin’ny fiainany sy teo amin’ny tantara ary nanahirana ny sainy ny anjara asany ao anatin’izany tantaram-pamonjena nosoritan’Andriamanitra ho an’i Masina Maria fofombadiny. Antsoin’Andriamanitra, araka izany, tahaka an’i Masina Maria i Josefa ; antsoiny handray anjara amin’ny tantaram-pamonjena ihany koa amin’alalan’ny fanomezana anarana an’i Jesoa Kristy, izany hoe amin’ny alalan’ny fandraisany andraikitra amin’ny maha ray azy no hanehoany an’izany.

Azo heverina fa mampifandray antsika bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy sy ao amin’Andriamanitra Trinite Masina izao fankalazana ny nahaterahan’i Masina Maria Virijiny izao.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...