Ny rafi-pandaminan'ny olona no tokony hifehy ny rafi-pandaminan'ny zavatra fa tsy ny mifanohitra amin'izany tsy akory : " Ny fanasoavana ny olona no tsy maintsy tsinjovina mandrakariva amin'ny fandaminam-bahoaka sy ny fandrosoany. Ny mpiara-belona no miantoka ny fahamarinana ara-piaraha-monina amin'ny fanatanterahany ny fepetra afahan'ny fikambanana sy ny isam-batan'olona mahazo ny zon'izy ireo. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

20 ôktôbra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Mamirapiratra tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao ianao, satria mitana ny tenin’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 1-7)

♦ Niantso ireo mpomba ho tonga hiaro azy eny amin'ny trano fonenany eny Faravohitra, ny kandidà Marc Ravalomanana. Antso, manoloana ny fisiana mpitandro ny filaminana tonga maro eny an-toerana, nanomboka ny tolakandro teo... ♦ Voasakana indray androany ny diabe nataon'ny vondron'ny kandidà 11 sy ireo mpomba azy teny Itaosy. Nipoapoaka ny baomba mandatsa-dranomaso. Olona telo no naratra vokatr'izany, ankoatra ny fanagiazana ny fanamafisam-peo...

♦ Tsy eken'ny solombavambahoaka IRD manana ny maro an'isa eny Tsimbazaza ny lahatenin'ny Filohany Razanamahasoa Christine, ny talata teo. Heviny samy irery iny hoy ireto solombavambahoaka ireto... ♦ Nandray anjara tamin'ny fivorian'ny parlemantara ny SADEC ny solombavambahoaka Malagasy miisa dimy. Nakan-kevitra nandritra izany ny fomba ampihenana ny elanelana misy eo amin'ny parlemantera sy ny vahoaka... ♦ Mihamaro ankehitriny ireo orinasa afakaba mandefa ny mpiasa ao aminy amin'ny fiantoana ara-teknika hoy ny Sendikan'ny Mpiasa FISEMARE... ♦ Nidiran'ny mpanao fihetsiketsehana ny lapan'ny kongresy amerikana omaly...

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...