Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 7, 18-25a)

Iza re no hanafaka ahy amin’itý vatam-pahafatesana itý?

Ry kristianina havana,
fantatro fa tsy mitoetra ato amiko ny tsara,
izany hoe tsy ato amin’ny nofoko;
ny fikasana fotsiny no ato amiko,
fa tsy ny manatanteraka ny tsara,
satria tsy ny tsara izay tiako no ataoko,
fa ny ratsy izay tsy tiako;
ka rahefa tsy ny tiako no ataoko,
dia tsy izaho intsony no manao izany,
fa ny fahotana izay mitoetra ato amiko.

Ka toa misy lalàna toy izao ato amiko:
nony te-hanao ny tsara aho,
dia ny ratsy no indro misosoka.
Satria amin’ny olona ao anaty aho,
dia mankasitraka ny lalàn’Andriamanitra ihany,
fa ny lalàna hitako amin’ny rantsam-batako
sy manohitra ny lalàn’ny saina no manandevo ahy
amin’ny lalàn’ny fahotana izay ao amin’ny rantsam-batako.
Indrisy! olo-mahantra aho;
iza re no hanafaka ahy amin’itý vatam-pahafatesana itý?
Hisaorana anie Andriamanitra,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 66-68. 76-77. 93-94

Ampianaro ahy, Tompo, ny fitsipikao.

Ampianaro ahy ny fahaizan-tsoa sy ny fahalalana:
fa izaho matoky ny baikonao!
Soa Ianao, ry Tompo, sady mpanisy soa:
ampianaro ahy ny fitsipikao!

Hampionona ahy anie ny hatsaram-ponao:
araka ny teninao tamin’ny mpanomponao.
Ny indrafonao anie haninteraka sy hamelona ahy:
satria ny Lalànao no firavoako!

Tsy hohadinoiko na oviana na oviana ny lahatrao,
izay amelombelomanao ahy!
Vonjeo aho fa Anao,
sady mikatsaka ny lahatrao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 54-59)

Fantatrareo ny toetry ny lanitra sy ny tany. Ahoana àry no tsy ahafantaranareo ny toetr’izao andro diavintsika izao!

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Raha vao mahita rahona avy any andrefana ianareo, dia manao hoe:

‘Ho avy ny orana’,

ka avy tokoa izy;
ary raha renareo avy atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo:

‘Hafana ny andro’,

ka tonga tokoa izany.

Ry mpihatsaravelatsihy,
hainareo fantarina ny toetry ny lanitra sy ny tany,
ka ahoana àry no tsy ahafantaranareo izao andro diavintsika izao?
Nahoana koa no tsy amantaran’ny tenanareo izay marina?
Fa raha miara-mandeha amin’izay manana ady aminao ianao
hanatrika ny mpitsara,
dia ataovy izay hahafahanao aminy
raha mbola eny an-dalana ianareo,
fandrao tongany any amin’ny mpitsara ianao
ka atolotry ny mpitsara amin’ny mpamatotra,
ary alatsaky ny mpamatotra an-tranomaizina.
Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao
ambara-pahaloanao ny variraiventy farany indrindra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 6, 19-23)

Ankehitriny afaka tamin’ny fahotana ianareo ka efa tonga mpanompon’Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
miteny araka ny fanaon’ny olona aho,
noho ny fahalemen’ny nofonareo:
tahaka ny nanoloranareo ny tenanareo hanompo ny fahalotoana
sy ny tsy fahamarinana hahatanteraka ny tsy fahamarinana,
no aoka hanoloranareo ny rantsam-batanareo ankehitriny
hanompo ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana.
Fa nony mpanompon’ny ota ianareo,
dia olon-ko azy tamin’ny fahamarinana.
Inona àry no vokatra azonareo tamin’izay?
Vokatra mahamenatra anareo fe ankehitriny,
fa fahafatesana no iafarany.
Ary ankehitriny kosa,
rahefa afaka tamin’ny fahotana ianareo,
ka efa tonga mpanompon’Andriamanitra,
dia ny fahamasinana no vokatra azonareo
ary ny fiainana mandrakizay no hiafaranareo.
Fa ny fahafatesana no tambin’ny ota,
ary ny fiainana mandrakizay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika kosa
no fanomezan’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6

Sambatra ny olona manao ny Tompo ho tokiny.

Endrey ny hasambaran’ny olona
tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy,
tsy mandeha amin’ny lalan’ny mpanota
na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso
fa ny Lalàn’ny Tompo no sitrany;
ny Lalàny no saininy andro aman’alina.

Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy:
mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina;
izay rehetra ataony
mahomby avokoa.

Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy:
fa mova tsy akofa paohin-drivotra!
Fa ny lalan’ny olo-marina fantatry ny Tompo,
ny lalan’ny mpanota kosa mamery.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 49-53)

Tsy tonga hitondra fiadanana Aho fa fampisarahana aza.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Tonga hanipy afo etý ambonin’ny tany Aho,
ka akory itý faniriako mba hirehetan’izany sahady!
Ary manana batemy hanaovana batemy Ahy koa Aho,
ka ory manao ahoana Aho ambara-pahatanterak’izany!
Moa ataonareo fa tonga hitondra fihavanana etý an-tany Aho?
Tsia, hoy Izaho aminareo,
fa fampisarahana aza.
Satria hatramin’izao raha olona dimy an-trano iray,
dia hanao an-daniny,
ka hifanohitra ny telo amin’ny roa,
ary ny roa amin’ny telo;
ny ray amin’ny zanany lahy,
ary ny zanakalahy amin’ny rainy;
ny reny amin’ny zanany vavy,
ary ny zanakavavy amin’ny reniny;
ny rafozam-bavy amin’ny vinantony vavy,
ary ny vinantovavy amin’ny rafozany vavy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Fantaro ny zava-misy ara-toetr'andro ankehitriny sy ny vokatr'izany eo amin'ny lafiny ara-pahasalamana. Niteraka voka-dratsy maro eo amin'ny lafin'ny fahasalamana ny fiovan'ny toetr'andro ka aleo misoroka toy izay mitsabo, ary izay tsara fiomanana tsy tampohin'ny loza. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagascar.

♦ Misy fepetra, manomboka izao, tsy maintsy arahan'ireo mikasa hanao fihetsiketsehana pôlitika, araka ny fepetra noraisin'ny Préfet an'Antananarivo... ♦ Mbola hanohy ny hetsika fanaony ny vondron'ireo kandidà ho Filoham-pirenena anio. Hetsika izay ambaran'izy ireo hatrany fa diabe am-pilaminana... ♦ Niroso tamin'ny fandravana ireo mpianatra anaty efitrano, ireo mpianatra avy amin'ny Faculté an'ny Sciences, izay nanao fitokonana teny Ankatso, ho an'ny omaly...

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...