♦ Hampikatso ny raharaham-panjakana ny SSM, raha tsy misy ny fifanatonana ao anatin'ny telo andro, mba hikaroham-bahaolana amin'ny raharaham-pirenena ankehitriny... ♦ Niara-nanangan-tsaina teny Ampahibe androany, ny mpitandro ny filaminana telo tonta, izay notarihin'ny Minisitrany avy. Tazana teny an-toerana koa ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena teo aloha... ♦ Milanja iray taonina sy 376 kg, ireo rongony efa voazara tao anatin'ny gony miisa 108, izay tra-tehaky ny pôlisy alina, teny Ambilanibe Andavamamba...
♦ Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany eo anilany teo amin'ny faha-84 taonany i Mgr Antoine Salvatore Scopelliti, Eveka misotro ronono an'i Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misiônera mpitondra hafatra isika, hoy i Mgr Zygmunt Robasckiewicz, Evekan'i Mahajanga, tamin'ny fankalazana ny Andro Maneran-tany hivavahana ho an'ny Misiona... ♦ Notanterahana tao Toamasina ny zaikaben'ny Vondrom-bavaky ny Apôstôlin'ny Famindrampon'Andriamanitra ho an'ny Arsidiôsezy Atsinanana...
♦ Akon'ny fanamarihana ny andro eran-tany hivavahana ho an'ny misiona, natao tany Mahajanga omaly... ♦ Nanatitra taratasy fangatahana fanemorana ny fifidianana, fanindroany, teny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-Panorenana, androany maraina, ny mpisolovavan'ny kandidà laharana faha-7, Andry Raobelina... ♦ Ny tanora sy ny vehivavy no tena entanina amin'ny hetsiky ny OIT na ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa, sy ny Ministeran'ny Jono sy ny Toe-karena Manga amin'ny famoronana asa manodidina ny toe-karena manga sy ny toe-karena maitso...
Boky Eksaody (Eks. 22, 21-27)
Izao no nolazain’ny Tompo:
“Aza ratsy fitondra vahiny na mampahory azy
fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta koa ianao.
Aza manao izay mampalahelo ny mpitondra tena sy ny kamboty;
fa raha manao izay mampalahelo ireny ianao,
dia hitaraina amiko izy,
ka hohenoiko ny fitarainany;
hirehitra ny hatezerako ka haringako amin’ny sabatra ianareo;
ary ny vadinareo ho mpitondra tena,
ny zanakareo ho kamboty.
Raha mampisambo-bola olona amin’ny vahoakako ianao,
amin’ny mahantra eo aminao,
aza mitsangan-ko mpanàna vola aminy,
aza maka zana-bola aminy.
Raha alainao ho antoka ny kapaotin’ny namanao
dia avereno aminy alohan’ny maty masoandro,
fa iny no hany firakofany,
iny no fitafiany anaronany ny vatany,
ka inona àry no hoentiny mandry?
Raha mitaraina amiko izy,
hohenoiko ny fitarainany,
fa antra olona Aho”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 17, 2-3a. 3bd-4. 47-51ab
Mamiko Ianao, ry Tompo fa heriko,
Tompo Vatolampiko, toera-mafy ho ahy,
Andriamanitra Mpanafaka,
haram-bato fialofana.
Ampinga, famonjena mahery,
fiarovana-avo ho ahy.
Dera ho an’ny Tompo, hoy aho,
fa voavonjy amin’ny rafiko aho!
Veloma ny Tompo!
Hisaorana ny Vatolampiko!
Omeny fandresen-dehibe ny Mpanjakany,
anehoany fitiavana ilay Nohosorany.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 1, 5d-10)
Ry kristianina havana,
fantatrareo izay toetranay tany aminareo ho an’ny famonjena anareo.
Noho ianareo nandray ny teny tamin’ny fahoriana be
sy tamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina,
dia tonga nanahaka anay sy ny Tompo ianareo,
ka tonga fakàn-tahaka ho an’ny mpino rehetra
any Masedônia sy Akaia kosa indray.
Ary tsy tany Masedônia sy Akaia ihany
no tongan’ny akon’ny tenin’Andriamanitra avy tany aminareo,
fa niely hatraiza hatraiza ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra,
ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona.
Fa izy rehetra ihany no miresaka ny aminay,
ka mitantara ny nahazoanay fidirana ho aty aminareo,
sy ny nialanareo tamin’ny sampy,
mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina,
sy hiandry ny Zanany avy any an-danitra
izay natsangany ho velona,
dia i Jesoa izay nanafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 34-40)
Tamin’izany andro izany,
nony ren’ny Farisianina
fa nataon’i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseanina,
dia nivory izy rehetra;
ary ny anankiray izay mpahay Lalàna tamin’izy ireo
nanontany Azy mba haka fanahy Azy hoe:
“Ry Mpampianatra ô,
inona no didy lehibe indrindra amin’ny Lalàna?”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo,
sy amin’ny fanahinao manontolo ary amin’ny sainao manontolo.
Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany;
ary ny faharoa,
izay tahaka ny voalohany ihany dia izao:
Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
Ao amin’izany didy roa izany
ny Lalàna rehetra sy ny Mpaminany”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco