♦ Manentana ny kristianina hifanome tanana hampiroborobo ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny Tale nasiônalin’ny OPM (Œuvres Pontificales Missionnaires), P. Rakotoarisoa Jean Claude amin’izao fankalazana ny Andro Maneran-tany ho an’ny Misiona, izay marihana ny alahady 22 oktobra izao… ♦ Mila manana fo mirehidrehitra sy hafanam-po amin’ny asa fiantrana tahaka ny nataon’i Masindahy Charles de Foucauld isika, hoy ny Papa François, ny alarobia lasa teo… ♦ Nampirisika ny mpino rehetra mba tsy hiandany afa-tsy amin’ny fiadanana ny Papa François manoloana ny savorovoro misy ao Proche-Orient…

Mamaha olana amin'ny tsy fahitan'ny tanora asa ny filofosana amin'ny fiompiana. Isan'ny nahazo vokatsoa tamin'izany Andriamatoa Randrianarisoa Lancia. Niainga tamin'ny bitro miisa 5, Andriamatoa Randrianarisoa Lancia, monina ao amin'ny Kaominina Anjepy, distrikan'i Manjakandriana, ankehitriny efa maherin'ny 2.000 isa ny bitro novokariny tao anatin'ny taona vitsy.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Roma (Rom. 8, 1-11)

Ny Fanahin’izay nanangan-ko velona an’i Jesoa no mitoetra ao aminareo.

Ry kristianina havana,
tsy misy fanamelohana intsony ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa,
sady tsy mandeha ara-nofo;
fa ny lalàn’ny Fanahin’aina no nanafaka ahy
tamin’ny fahotana sy ny fahafatesana,
tamin’ny alalan’i Kristy Jesoa.
Satria izay tsy vitan’ny Lalàna
noho izy tsy nanan-kery azon’ny nofo,
dia vitan’Andriamanitra tamin’ny nanirahany ny Zanany
tao amin’ny endriky ny nofom-pahotana sy noho ny fahotana,
ka nanameloka ny fahotana tao amin’ny nofony,
mba ho tanteraka ny fahamarinan’ny Lalàna ao amintsika,
izay tsy mandeha ara-nofo fa ara-panahy.
Fa izay ara-nofo dia mankafý ny zavatry ny nofo
ary izay ara-panahy dia mankafý ny zava-panahy.
Ny fitiavan’ny nofo dia fahafatesana,
fa ny fitiavan’ny fanahy kosa dia fiainana amam-piadanana.
Satria ny fitiavan’ny nofo dia mifandrafy amin’Andriamanitra,
fa tsy manaiky ny Lalàn’Andriamanitra izy,
sady tsy hainy aza izany.
Koa izay ao amin’ny nofo
dia tsy mety ho sitrak’Andriamanitra.

Fa ianareo dia tsy ao amin’ny nofo,
fa ao amin’ny fanahy,
raha mitoetra ao aminareo koa ny Fanahin’Andriamanitra.
Raha misy tsy manana ny Fanahin’i Kristy,
dia tsy Azy izy;
fa raha ao anatinareo i Kristy,
na dia maty aza ny vatana noho ny fahotana,
dia miaina kosa ny fanahy noho ny fahamarinana.
Ary raha ny Fanahin’izay nanangan-ko velona an’i Jesoa
no mitoetra ao anatinareo,
dia izay nanangana an’i Kristy koa no hamelona ny vatanareo mety maty,
noho ny Fanahiny izay mitoetra ao anatinareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 23, 1-2. 3-4ab. 5-6

Izany no taranaka mikatsaka ny tavanao, ry Tompo.

Ny tany, ny hareny: Azy Tompo avokoa,
dia izao rehetra izao, ary izay monina ao.
Naoriny ambonin’ny rano izy ireny,
napetrany tsara eo ambonin’ny ony.

Koa zovy no hiakatra hihaona amy Tompo;
hanorim-ponenana an-toerany masina?
Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy,
sy izay tsy mianiana tsy tò amin’ny hafa.

Dia izy no hany hotsofina rano,
ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy.
Fa izy no dimbin’ireo izay nizaha
ny endrik’ilay Andriamanitra Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fa ny tenin’Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay; ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 1-9)

Raha tsy mibebaka ianareo dia ho very tahaka azy koa ianareo rehetra.

Tamin’izany andro izany,
nisy olona sasany tonga nilaza tamin’i Jesoa
ny nanjò ireo Galileanina
fa nalatsak’i Pilaty niaraka tamin’ny soron’izy ireo ny rany.
Ary novaliany hoe:

“Moa ataonareo fa ireny Galileanina ireny
dia mpanota noho ny Galileanina rehetra
matoa nozoin-doza toy izany?
Tsia, hoy Aho aminareo;
fa raha tsy mibebaka ianareo,
dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra.
Na moa ataonareo fa ny olona valo ambin’ny folo
maty nianjeran’ny tilikambon’i Silôe
no meloka noho ny mponina rehetra tao Jerosalema?
Tsia, hoy Aho aminareo;
fa raha tsy mibebaka ianareo,
dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra”.

Dia nanao itý fanoharana itý Izy:

“Nisy lehilahy anankiray nanana aviavy
nambolena tamin’ny tanim-boalobony,
ka nankeo aminy mba hitady voa fa tsy nahita.
Dia hoy izy tamin’ny mpiasa ny tanim-boalobony:

‘Indro efa telo taona izay
no tonga mitady voa amin’itý aviavy itý aho,
nefa tsy mahita;
koa kapao io,
fa nahoana no manimba ny tany foana eo?’

Ary hoy ny mpiasa namaly azy:

‘Aoka re ho eo ihany izy amin’itý taona itý, tompoko,
dia hohevoiko ny fotony sady hasiako zezika;
angamba hamoa izy,
fa raha tsy izany dia hokapainao ihany izy’.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Malemy avokoa ny andrim-panjakana eto Madagasikara ankehitriny, hoy ny Minisitra teo aloha, ny Jeneraly Tsaranazy Jean Emile... ♦ Tsy feno ireo fepetra hanaovana fifidianana tony sy eken'ny rehetra amin'izao fotoana sy zava-misy eto amin'ny firenena izao, hoy ny sendikà SECES Sampana Antananarivo... ♦ Manao antso avo amin'ny Minisitry ny Asa Vaventy, ny Ben'ny Tanànan'ny Kaominina Ambonivohitra Ambatoboeny, noho ny fahatapahan'ny tetezana any an-toerana...

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...