Ny isa FITO (7) dia isa masina satria maneho fahafenoina izay lalan-tsaina nolovantsika malagasy tamin'ny tatsinanana,. Ny isa fito dia ahitana foto-teny "ITO" izay midika hoe tapaka ary io fiheverana io no anton'ny isa fito izay fatotra atao amin'ny faty mba ho fanapahana ny fifandraisany amin'ny velona sy ho fanapahana ny loza. Ny isa fito teo amin'ny malagasy dia midika ho haja sy voninahitra ary fahombiazana. Ny fomba malagasy dia ahitana taratra io isa io avokoa...
Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 8, 4. 7. 10-22a)
Tamin’izany andro izany,
nivory ny loholon’i Israely rehetra nankany amin’i Samoela, tany Ramà,
nanao taminy hoe:
“Ianao itý efa antitra ary ny zanakao tsy manara-dia anao,
koa mpanjaka toy ny an’ny firenena rehetra
no atsangano aminay hitsara anay.”
Tsy sitrak’i Samoela izany teny izany
noho izy ireo nanao hoe:
“Omeo mpanjaka izahay hitsara anay.”
Dia nivavaka tamin’ny Tompo i Samoela;
ary hoy ny Tompo tamin’i Samoela:
“Henoy ny feon’ny vahoaka araka izay rehetra holazainy aminao,
satria tsy mba ianao no ariany fa Izaho no ariany,
dia ny tsy hanjakako aminy intsony.”
Dia nambaran’i Samoela tamin’ny vahoaka nangataka mpanjaka taminy
ny tenin’ny Tompo rehetra, ka hoy izy:
“Izao no fahefana ampiasain’ny mpanjaka, izay hanjaka aminareo.
Ny zanakalahinareo halainy ary hampitaingenany ny kalesiny
sy hataony mpitaingin-tsoavaliny
ary hihazakazaka eo anoloan’ny kalesiny izy ireo.
Hataony mpifehy arivo, mpifehy dimampolo izy;
hampiasainy ny taniny, hampijinjainy ny variny,
hampanaoviny ny fiadiany, mbamin’ny forongon-kalesiny.
Ny zanakavavinareo halainy ho mpanamboatra zava-manitra,
ho mpahandro, ho mpanao mofo.
Ny tanimbarinareo, ny tanim-boalobokareo,
ny fototr’ôlivanareo tsara indrindra dia halainy
ka homeny ny mpanompony.
Ny ampahafolon’ny vokatra aman-tanim-boalobokareo halainy
ka homeny ny tandapa ama-mpanompony.
Ny mpanomponareo na lahy na vavy,
mbamin’ny ombinareo aman’ampondra tsara indrindra
halainy hampanaovina ny asany.
Ny ampahafolon’ny biby fiompinareo halainy,
ary ny tenanareo aza ho mpanompony.
Hitaraina ianareo amin’izany andro izany,
noho ny amin’ny mpanjaka nofidinareo,
nefa tsy hihaino anareo ny Tompo.”
Tsy nety nihaino ny feon’i Samoela akory ny vahoaka, fa hoy izy:
“Tsia, fa aoka ihany izahay mba hana-mpanjaka!
Dia mba ho toy ny firenena koa izahay;
ny mpanjakanay no hitsara anay,
hitari-dalana anay, ary hitari-tafika anay.”
Nony ren’i Samoela ny teny rehetra nataon’ny vahoaka
dia nolazainy indray ho ren’ny Tompo;
ka hoy ny Tompo tamin’i Samoela:
“Henoy ny feony ka manangàna mpanjaka ho azy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 88, 16-17. 18-19
Tompo ô, sambatra ilay vahoaka mahay mihoby,
sy mandroso amin’ny hazavan’ny Tavanao,
sy mifaly amin’ny Anaranao tontolo andro,
sy mientana amin’ny Fitiavanao ny rariny.
Satria Ianao no reharehan’ny heriny,
ary ny Fitiavanao no manandratra ny tandrokay!
Eny, ny Tompo no Andrianay;
Ilay Masin’i Israely no Mpanjakanay.
Aleloia. Aleloia.
Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 2, 1-12)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia niditra indray tao Kafarnaôma.
Nony re fa hoe tao an-trano Izy,
dia nivory betsaka dia betsaka ny olona,
ka tsy nisy hitoerana intsony na dia hatrany anoloan’ny varavarana aza;
dia nitory teny taminy Izy.
Tamin’izay dia nisy nanatona Azy nitondra lehilahy malemy anankiray,
izay nolanjain’olona efa-dahy.
Tsy afa-nanatona Azy anefa izy ireo noho ny habetsahan’ny vahoaka,
ka dia ny tafon-trano nitoerany no nanesorany;
nony voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana nandrian’ilay malemy.
Ary i Jesoa nony nahita ny finoan’ireo,
dia nanao tamin’ilay malemy hoe:
“Anaka, voavela ny helokao.”
Fa nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo,
ka nanao anakampo hoe:
“Ahoana no itenenan’ilay itý toy izany?
Miteny ratsy an’Andriamanitra lahy Izy.
Iza no mahavela fahotana afa-tsy Andriamanitra irery ihany?”
Fantatr’i Jesoa tao amin’ny fanahiny niaraka tamin’izay
fa nieritreritra izany tao anatiny izy ireo ka hoy Izy taminy:
“Nahoana ianareo no mihevitra toy izany ao am-ponareo?
Inona no moramora kokoa, ny manao amin’itý malemy itý hoe:
Voavela ny helokao,
sa ny manao hoe:
Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary mandehana?
Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona manam-pahefana etý an-tany hanafaka ny fahotana,
dia izao no lazaiko aminao, (hoy Izy tamin’ilay malemy):
Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.”
Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy ka nibata ny fandriany,
ary lasa nody teo imason’ny olona rehetra;
hany ka talanjona izy rehetra
sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe:
“Tsy mbola nahita tahaka izany izahay.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 4, 1-11)
Ary natao tamin’i Israely rehetra ny tenin’i Samoela.
Dia nivoaka hiady tamin’i Filistina i Israely
ka nitoby teo akaikin’i Eben-Ezera:
ary ny Filistina nitoby tao Afeka.
Ary nony nilahatra hiady tamin’i Israely ny Filistina,
ka rafitra ny ady,
dia resin’i Filistina i Israely,
nahafatesany sahabo ho efatra arivo ny olona nilahatra hiady
teo amin’ny tany lemaka.
Niverina tany an-toby ny olona,
ary hoy ny loholon’i Israely:
“Nahoana ny Tompo no namely antsika teo anoloan’ny Filistina androany?
Andeha hoentina hankatý amintsika avy any Silao ny fiaran’ny faneken’ny Tompo;
aoka ho tonga eo afovoantsika sy hanafaka antsika amin’ny tanan’ny fahavalontsika Izy.”
Dia naniraka nankany Silao ny olona,
ka nentina avy any amin’io tanàna io ny fiaran’ny faneken’ny Tompon’ny tafika,
izay mipetraka amin’ny kerobima.
Niaraka tamin’ny fiaran’ny faneken’ny Tompo Andriamanitra
izy mirahalahy zanak’i Helî, dia i Ofnî sy i Finea.
Nony niditra teo an-toby ny fiaran’ny faneken’ny Tompo
dia nihoby an-kafaliana lehibe i Israely rehetra,
ka nanako ny tany.
Ren’ny Filistina ny fikotrokotrok’izany hoby izany, ka hoy izy:
“Inona no anton’izany hobin-kafaliana mikotrokotroka
any an-tobin’ny Hebrio izany?”
Dia reny fa ny fiaran’ny faneken’ny Tompo no tonga tao an-toby.
Ka raiki-tahotra ny Filistina fa nataony hoe:
“Tonga ao an-toby Andriamanitra.”
Dia hoy izy:
“Hahita loza isika,
fa tsy mbola nisy zavatra toy izao mandraka ankehitriny!
Hahita loza isika;
iza no hanafaka antsika amin’ny tanan’ireo andriamanitra mahery ireo?
Fa ireo andriamanitra ireo no namely ny Ejipsianina tany an’efitra
tamin’izao loza rehetra izao.
Samia matanjaka sy mitomban-dahy ianareo, ry Filistina,
fandrao dia manompo ny Hebrio, toy ny anompoany anareo.
Misehoa ho lehilahy ary miadia.”
Dia niady ny Filistina ka resy i Israely
sy samy nandositra ho any an-dainy avy;
ary mafy tokoa ny faharesena ka nisy telo alina ny olona an-tongotra,
no lavo tamin’i Israely.
Ny fiaran’Andriamanitra dia voasambotra,
ary izy roa lahy zanak’i Helî, i Ofnî sy i Finea, dia maty.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 43, 10-11. 14-15. 24-25
Kinanjo Ianao itý mandao sy mahafa-baraka,
tsy mivoaka miaraka amin’ny tafikay intsony!
Izahay ataonao miamboho ny rafinay;
sy famabon’ireo mpankahala.
Izahay ataonao fandatsan’ny miara-monina,
fanakora sy faneson’ny manodidina,
fitafan’ireo firenena,
fihifihan-doha amin’ireo vahoaka!
Mifohaza, ry Tompo: ahoana Ianao no matory?
Miarena! aza dia tsy rototra, ry Ilay Hajaina!
Ahoana ny Tavanao no afenina?
no hadino ny fahorianay sy ny famoretana anay?
Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 40-45)
Tamin’izany andro izany,
nisy boka anankiray nanatona an’i Jesoa
nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe:
“Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy.”
Nangoraka azy i Jesoa ka naninjitra ny tanany,
dia nanendry azy sy nanao taminy hoe:
“Mety aho, madiova ianao.”
Vantany vao niteny Izy,
dia niala tamin-dralehilahy ny habokany ka nadio izy.
Dia nampandeha azy niaraka tamin’izay i Jesoa
sady namepetra azy mafy nanao hoe:
“Tandremo,
aza milazalaza izany na amin’iza na amin’iza ianao
fa mandehana misehoa amin’ny mpisorona,
ary noho ny nanadiovana anao
dia manatera ny fanatitra nodidian’i Môizy,
mba ho vavolombelona amin’ny vahoaka.”
Kanjo nony lasa ralehilahy
dia nilazalaza sy nampiely izany hatraiza hatraiza,
hany ka tsy afa-niditra niharihary tao an-tanàna intsony i Jesoa,
fa nitoetra teny ivelany tamin’ny tany mangingina izy,
ary nohatonin’ny olona avy eny tontolo eny.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Tsy maintsy hisy ny fifidianana amin'io taona 2024 ho avy io hoy ny eo anivon'ny CENI. Hosantarina amin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy ny mpanolontsaina izany ka miankina tanteraka amin'ny governemanta hijoro eo ny hamaritra ny daty... ♦ Niverina eny Anosikely ny Jeneraly Richard Ravalomanana. Nanomboka nandray ny asa indray amin'ny maha-filohan'ny Antenimieran-doholona azy izy omaly, rehefa nitantana vonjimaika an'i Madagasikara tao anatin'ny iray volana sy 11 andro... ♦ Miasa hatrany ireo mpitsara na eo aza ny fialan-tsasatry ny fitsarana manerana ny nosy nanomboka androany. Entanina mba hanaraka akaiky izany eny amin'ny Fitsarana ireo manan-draharaha voakasika hoy ny tompon'andraikitra...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco