♦ Vonona handray anjara amin'izay fifidianana manaraka eo ny antoko TIM, ary manentana ny mpanara-dia azy hijery sy hanamarina ny anarany ao anatin'ny lisi-pifidianana... ♦ Miisa 9 ireo olona namoy ny ainy, 5 tsy hita popoka ary maherin'ny 9400 ireo tra-boina noho ny fisian'ny rotsak'orana be loatra manerana ny nosy, nanomboka ny 16 janoary, hoy ny BNGRC... ♦ Hafainganina ny dingana rehetra amin'ny fampisitrahana ireo Malagasy am-pielezana, ny pasipaoro, hoy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka...
♦ Tontosa omaly alahady 28 janoary 2024, ny fanamasinana sy ny fametrahana ho Evekan'i Tolagnaro, an'i Mgr Razafitsimialona Luc Olivier... ♦ Hiatrika fivoriana tsy ara-potoana manomboka androany ireo Antenimiera mpanao lalàna... ♦ Avotra teo am-pelatanan'ireo dahalo naka an-keriny azy, ireo vehivavy telo mianaka tany amin'ny Fokontany Androva Atsimo, Kaominina Ambanivohitra Talata Angavo, Distrikan'Ankazobe...
Miha simba ny fifandraisana ankehitriny, lasa tsy mifankahazo noho ny fironana ara-pôlitika, lasa mitady finoana hafa noho ny faharesen-dahatra manokana. Boky mivelatra ny zokiolona : manana tantara lava kokoa, marina kokoa, fampitana trai-kefa-piainana. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
29 janoary 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 1-20)
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco