6 marsa 2024 — Alarobia, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra, amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)
♦ Manamafy ny fiaraha-miasa ny Eglizy Katôlika aty Afrika sy ny Vondrona Afrikanina. Amperin'asa indray ankehitriny ny Biraom-pifandraisan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy Madagasikara amin'ny Vondrona Afrikanina ao Addis-Abeba... ♦ Notanterahana teny amin'ny fidasian'ny Lapan'ny Tananan'Antananarivo teny Analakely, ny lanonam-panjakana fandraisana fahefana sy nanolorana samboady ny PDS an'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Ramanambitana Richard...
♦ Hifandanja tsara ny tanjaky ny fitondràna sy ny mpanohitra amin'ny fifidianana amin'ny 29 mey, raha ny hevitry ny antoko Fiombonana. Tsy hamaritra izany ny voka-pifidianana tamin'ny volana novambra, hoy izy ireo... ♦ Nahasahana ny sakafon'ny voafonja ny fambolena tao amin'ny Camp Pénal ao Moramanga sy Vatomandry. Nitsidika ireo toerana ireo ny Ministry ny Fitsaràna ny faran'ny herinandro teo, nahita izany fivoarana izany... ♦ Efa natolotra ny sampan-draharaha misahana ny heloka mamoafady eo anivon'ny Pôlisim-pirenena i Da-Willy, ilay nanolana zaza 6 taona teny Imerintsiatosika. Voasambotra teny Anosibe androany vao maraina be izy...
Ny didy savaravina (=ADD) dia didy tsy raikitra mivoaka aorian'ny matoan'ny didim-pitsarana (=minutes), izay didy mety mbola hiova. Ny tiana ambara amin'ny hoe onitra "OMBY SISA MITA" dia ilazana ny onitra tsy maintsy hefaina miaraka sy mitambatra, ary tsy maintsy haloa na efa nisy ampahan'olona voampanga aza efa nanefa ny onitra. Dika teny (Mpisolovava = avocat) (Mpitsara=Juge, magistrat) (Tonia = Procureur) (taha-dikan-didim-pitsarana = jurisprudence). Matetika re ny hoe "Fitsarana tsy mahefa", ny antony io dia matetika misy tranga vaovao na antotantaratasy miditra ka tsy tandrify ny sampam-pitsarana iray intsony ny hadirin'ny ady hany ka mila ho "TSY MAHEFA" ny fitsarana ary mandrisika ny hitondrana ny raharaha amin'ny tendrom-pitsarana hafa manoka.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco