15 mey 2024 — Alarobia, Herinandro fahafito Fankalazana ny Paka — Ny Fanahy Masina no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, hoy ny Tompo, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 11b-19)
Raha atao indray mijery ity vavak’i Jesoa Mpisorona ity dia miompana amin’ny fiombonana. “Mba ho iray tahaka antsika izy”, hoy i Jesoa. Araka izany, dia saika hita eto amin’ity vavaka ity avokoa ireo teny maneho izany fiombonana izany. Ohatra hoe : “teo amin’izy ireo Aho, dia nitahiry azy” ; sy ny hoe : “eny, nitahiry izay nomenao Ahy Aho” ; eo koa ny hoe : “tsy nisy very izy na dia iray aza”. Milaza fiombonana avokoa izany. Ka ny zavatra tsy tiana hiparitaka no tehirizina. Mitovy amin’izany koa, ny olona tsy tiana hisaraka no tehirizina. Matoa tehirizina ny zavatra iray dia sarobidy izy izay. Ka mifono hevi-dalina manosika hiaro sy hamondrona ny atao hoe mitahiry. Inona ny hevitra ampitain’izany ? Ny hevitra ampitain’izany amintsika dia hoe tian’Andriamanitra hiombona isika ka narovany fatratra. Noho izany, ny fepetra tokana tokony hizoran’ny mpianatr’i Kristy dia ny fiombonana. Io fiombonana io ihany no hampahomby ny iraka tanterahiny.
Fa maninona i Jesoa no mitalaho fiombonana ? Mitalaho fiombonana i Jesoa ; satria efa nisy teo amin’ny mpianany ny fisarantsarahana. Raha tsy hilaza afa-tsy i Jodasy tondroin’i Jesoa amin’ny hoe : “ilay zanaky ny fahaverezana” eto. Izany endrim-pisarahana nisy teo amin’ny mpianatra izany, dia hita taratra ihany koa amin’izao vaninandro hiainantsika ankehitriny izao eo amin’ny samy kristianina. Inona ny mahatonga izany ? Ny mahatonga izany dia ny fangatsiaham-po tsy te-halala, tsy miraharaha ny hafa sy ny fiheverana fa mahavita tena. Ireo anefa no tena fahavalon’ny fiombonana. Vokatr’izay fangatsiaham-po tsy miraharaha izay dia lasa manana toe-tsaina samy maka ho azy ny mpiara-mivavaka, misy koa ireo mibodo toerana amin’izay atao rehetra. Manome vahana ny asan’ny ratsy anefa izany ary tsy mampiombona.
Eo anatrehan’izay indrindra i Kristy no tsy mitsahatra mitalaho ho antsika. “Tsy ny hanesoranao azy amin’izao tontolo izao no angatahiko, fa ny hiarovanao azy amin’ny ratsy”. Mpanalalana ho antsika mandrakariva Izy mba hiarovan’Andriamanitra antsika amin’ny ratsy. Izany no midika fa mila ny fiarovan’Andriamanitra isika fa tsy mahazo matoky tena fotsiny amin’izao. Ny fiarovan’Andriamanitra no mahamasina antsika sy mahamarina antsika, ka mahatonga antsika hiombona. Tsy tanteraka ny fiombonana raha tsy arovan’Andriamanitra isika. Izay no nahatonga an’i Victoire Rasoamanarivo sady afaka nanamasin-tena no nampiombona ny mpino tamin’ny fotoana nahavoaraoka ny Misionera ; satria narovan’Andriamanitra izy.
Koa mifefe mandrakariva àry amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka, toy ny nataon’i Kristy, fa tsy tanteraka ao amintsika ny fiombonana, hanehoantsika ny fisian’Andriamanitra, raha tsy ny fiarovany.