♦ Nanao hetsika nanapaka lalana sy nandoro kodiarana omaly ny andian'olona eny amin'ny Fokontany Andohatapenaka-I ao Antananarivo renivohitra. Misy mivarotra an-tsokosoko ny tanin'izy ireo ka manaitra ny tompon'andraikitra mahefa izy ireo hanara-maso akaiky izany... ♦ Hanome tantsoroka ny federasiôna ivondronan'ny vehivavy mpandraharaha ao amin'ny faritry ny COMESA amin'ny fanatontosana ny tsenabe iraisam-pirenena Trade Fair andiany fahadimy atao eto Madagasikara ny ministera misahana ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra... ♦ Miatrika ny fanadinam-panjakàna fihodinana faharoa ireo mpianatry ny CNETMAD manodidina ny 17.000 miparitaka amin'ny ivon-toerana miisa 51 manerana ny Nosy...

Misy ny olana ateraky ny fanalan-jaza ; ny hoe fanalan-jaza dia teny somay malefaka amin'ny teny malagasy fa raha atao amin'ny dikan-teny hafa dia hoe "famonoana zaza na famonoana olona". Ireo fiantraikan'ny fanalan-jaza amin'ny olona : tsy mampilamina ny saina ka lasa manameloka ny tenany ilay olona ; ara-batana dia mety hiteraka aretina sy famoizan'aina ; fahasimban'ny tranon-jaza. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa 

7 marsa 2024 — Alakamisy, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo; ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 14-23)

♦ Hanome tantsoroka ny federasiôna ivondronan'ny vehivavy mpandraharaha ao amin'ny faritry ny COMESA, amin'ny fanatontosana ny tsenabe iraisam-pirenena Trade Fair faha-5 hatao eto amintsika, ny Minisitera Misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra... ♦ Miatrika ny fanadiam-panjakana fihodinana faharoa, ireo mpianatry ny CNTEMAD manodidina ny 17.000 miparitraka amin'ny ivontoerana 51 manerana ny nosy... ♦ Nidina an-dalambe nanapaka làlana sy nandoro kodiarana androany, ireo andian'olona monina eny Andohatapenaka voalohany. Nambaran'izy ireo fa nisy nivarotra ny taniny...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...