Ny 11 jolay dia natokana hankalazana ny andro iraisam-pirenena hoan’ny mponina, izay mitazona anjara toerana lehibe eo amin’ny fampandrosoana, satria sady mpisitraka izy no mpanatanteraka io fampandrosoana io. Araka izany dia ilaina ny fananana mponina ampy fanabeazana, ampy fahalalàna, manana sy manaja ny soatoavina, salama, miaina anaty fandriam-pahalemana... Ny fampandrosoana dia andraikitry ny tsirairay sy ny daholobe, fa tsy miankina manokana amin’ny olo-tokana samirery na vondron’olona. Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
♦ Misy mibodo ny tanin'ny Diôsezin'Antananarivo manana velarana 7 hatramin'ny 9 hekitara eny Ilafy Ambohimangakely, Distrikan'Antananarivo Avaradrano... ♦ Notokanana omaly ny sampana miandraikitra ny fandidiana ny fo misokatra, eny amin'ny Hôpitaly Miaramila Soavinandriana. Nanome voninahitra izany ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina... ♦ Nifarana omaly ny fanadinana BEPC. Nisy olana noho ny ambara fa fivoahan'ny laza adina mialoha ny fotoana, ho an'ny taranja anglisy...
Misy olona mihevitra fa raharahan'ny sahirana sy ny bado ny mivavaka. Ao amin'ny tantaran'ny fiainam-panahy dia lazain'ny philosophe antsoina hoe Blaise Pascal, ao amin'ny boky "le Memorial" fa Andriamanitr'i Abrahama, Andriamanitr'i Isaaka, Andriamanitr'i Jakôba fa tsy Andriamanitry ny Philosophe, Izy no fahamarinana, fahamatorana, hafaliana sy fiadanana, ilay rain'i Jesoa Kristy. Katesizy momba ny vavak'i Abrahama, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
5 jolay 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 9-13)
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco