Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 26, 7-9. 12. 16-19)
Voaravona ny sakeli-dalan’ny marina;
mahitsy ny lalana izay areninao ho an’ny marina.
Koa teo amin’ny lalan’ny fitsaranao no niandrasanay Anao, ry Tompo,
ny Anaranao amam-pahatsiarovana Anao, no fanirian’ny fanahinay.
Ny fanahiko maniry Anao mandritra ny alina;
ary ny saiko ato anatiko, mikatsaka Anao.
Satria raha mihatra amin’ny tany ny fitsaranao,
dia tonga mahalala ny fahamarinana ny mponina amin’izao tontolo izao.
Ry Tompo ô, hiantoka fiadanana ho anay Ianao,
fa ny asanay rehetra dia Ianao no nanatanteraka azy ho anay.
Nitady Anao izy nony azom-pahoriana, ry Tompo ô,
noborahiny ny fitarainany, raha nokapohinao izy.
Tahaka ny vehivavy bevohoka madiva ho teraka,
miolanolana sy miantsoantso eo amin’ny fijaliany;
tahaka izany izahay, eo anatrehan’ny tavanao, ry Tompo.
Fa efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay,
dia tsy niteraka afa-tsy rivotra.
Tsy nanome ny famonjena ho an’ny tany izahay,
ka tsy nisy mponina teraka ho an’izao tontolo izao.
Ho velona indray ny olonao efa maty;
hitsangana indray ny fatin’ny oloko.
Mifohaza, ka manaova hobin-kafaliana, ianareo izay mandry eo amin’ny vovoka,
fa ny andonao, ry Tompo, dia andon’ny fahazavana;
ary ny tany hamoaka indray ny maty.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 101, 13-14ab sy 15. 16-18. 19-21
Ianao, ry Tompo, mitoetra mandrakizay;
amin’ny taona rehetra ny lazanao.
Hitsangana hiantra an’i Siôna Ianao:
fa izao dia izao no fotoana fangorahana azy!
Fa mba sitraky ny mpanomponao ny vatony;
mba mahaseriny azy ny vovotaniny!
Ka hatahotra ny Anaran’ny Tompo ireo firenena,
ny voninahitrao, ny mpanjaka rehetra eran-tany!
Ny Tompo manko hanorina an’i Siôna,
ka hiseho anatin’ny voninahiny,
hanatrika ny vavak’izay norobaina,
tsy hanosika ny talahon’izy ireo!
Soraty izany ho an’ny taranaka any aoriana:
ka hidera ny Tompo ny vahoaka mbola ho hary!
Avy any an-toerany masina any ambony Izy mitsinjo;
avy any an-danitra ny Tompo no mitazana ny tany:
hahenoany ny senton’ny mpifatotra,
hanafahany an’ireo voatondro hovonoina.
Aleloia. Aleloia.
Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 28-30)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao hoe:
“Mankanesa atý amiko ianareo rehetra mijaly sy vesaram-pahoriana
fa hanamaivana anareo Aho.
Ento ny jiogako, ary mianara amiko fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho,
dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo;
fa mora entina ny jiogako ary maivana ny hazofijaliako.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 10, 5-7. 13-16)
Izao no nolazain’ny Tompo:
“Loza ho an’i Asora, tsorakazon’ny fahatezerako!
fiasan’ny havinirako ny tehina eny an-tanany!
Irahiko izy hamely ny firenena mpankahala fivavahana,
omeko didy izy hamely ny vahoaka mahatezitra Ahy,
dia handroba sy hamabo azy, ary hanosihosy azy, toy ny fotaka eny an-dalambe.
Kanjo tsy izany no heviny, ary tsy izany no heverin’ny fony;
fa ny handringana no hany kendreny, sy hamongotra firenena tsy an-kavitsiana.
Satria izy nanao hoe:
‘Ny nahefako izany dia noho ny herin’ny tanako, sy noho ny fahendreko,
satria mahira-tsaina aho!
Ny faritanin’ny firenena nafindrako, ny hareny nobaboiko,
ary ireo nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany dia nanongana azy aho
toy ny lehilahy mahery fo.
Toy ny fisambotra akany no nisamboran’ny tanako ny haren’ny firenena,
ary toy ny fanangona atody nilaozana no namoriako ny tany rehetra,
ka tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava, na mba nikiaka akory!’
Mirehareha amin’ny tanana mampandihy azy va ny famaky,
miavonavona amin’izay mampandeha azy va ny tsofa?
Sa hoe: ny tsorakazo indray va no manetsika izay manainga azy;
sa hoe: ny tehina indray no manangana izay tsy hazo!
Noho izany, ny Tompo, Andriamanitry ny tafika,
haniraka faharerahana hamely ny mpiadiny matanjaka;
ary eo ambanin’ny voninahiny, hisy afo mirehitra,
toy ny afo amin’ny haintrano.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 93, 5-6. 7-8. 9-10. 14-15
Ny vahoakanao, ry Tompo, ampahorian’ny olon-dratsy;
ny lovanao, torotoroiny;
ny mpitondratena, ny vahiny vonoiny;
ny kamboty aripany.
Ny Tompo tsy mahita, hoy izy;
ny Andriamanitr’i Jakôba tsy mahatazana!
Mbà mahafantatra, ry vahoaka ketrina!
Rahoviana no hahalala ianareo, ry adala?
Ilay namboly ny sofina va no tsy handre?
Ilay namorona ny maso no tsy hahita?
Ilay Mpananatra ny firenena va no tsy hanadina?
Ilay Mpanoro ny olombelona no tsy hahalala?
Fa ny Tompo tsy hahafoy ny vahoakany,
na handao ny lovany
ka ny olo-marina hahazo ny rariny,
ny mahitsy fo no handresy lahatra.
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 25-27)
Tamin’izany andro izany, niteny i Jesoa nanao hoe:
“Misaotra Anao Aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nanafina izany zavatra izany tamin’ny hendry sy be saina Ianao,
ary nanambara azy tamin’ny tso-po kosa.
Eny, misaotra Anao Aho, Raiko, fa izany no sitra-ponao.
Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra,
ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray;
ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka
sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 7, 1-9)
Tamin’ny andron’i Akaza, zanak’i Jôatama, zanak’i Oziasa, mpanjakan’i Jodà,
dia niakatra hanafika an’i Jerosalema i Rasima, mpanjakan’i Siria,
niaraka tamin’i Fasea, zana-dRomelia, mpanjakan’i Israely;
nefa tsy nahafaka azy izy.
Nambara tamin’ny taranak’i Davida izany vaovao izany, fa hoe:
Mitoby any amin’i Efraima i Siria.
Tamin’izany nipararetra hoatra ny fanetsiky ny rivotra ny hazo any an’ala
ny fon’ny mpanjaka sy ny fon’ny vahoaka.
Dia hoy ny Tompo tamin’i Izaia:
“Mivoaha ianao sy i Seara-Jasoba, zanakao,
hitsena an’i Akaza eo amin’ny faran’ny lakan-dranon’ny kamory ambony,
amin’ny lalan’ny sahan’ny mpamotsy lamba;
ka ianao hilaza aminy hoe:
‘Mitandrema, mandria amim-piadanana, aza matahotra, ary aza rera-po foana ianao
eo anatrehan’ireo tapa-porohana roa midonaka ireo,
amin’ny fisafoakan’i Resîna sy i Siria, ary ny zana-dRomelia.’
Noho i Siria nihevitra hampidi-doza anao, mbamin’i Efraima sy ny zana-dRomelia nanao hoe:
‘Andeha isika hananika an’i Jodà,
ka hamparaiki-tahotra azy sy hananika azy ary hanangana ny zanak’i Tabeela ho mpanjaka ao’;
noho izany dia izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
‘Tsy ho vanona izany; tsy hisy izany!
Satria efa i Damasa no lohan’i Siria ary i Resîna no lohan’i Damasa;
ka dimy amby enimpolo taona sisa,
dia hitsahatra tsy ho vahoaka intsony i Efraima.’
Ary i Samaria no lohan’i Efraima, ny zana-dRomelia no lohan’i Samaria.
Raha tsy mino ianareo, dia tsy haharitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 47, 2-3a. 3b-4. 5-6. 7-8
Ny Tompo lehibe sy mendri-dera indrindra
ao amin’ny tanànan’Andriamanitsika!
Ny Vohiny Masina; tsara fideza,
fifalian’ny tany tontolo!
Ny Vohitra Siôna: any am-parany avaratra.
Tanànan’ny Mpanjaka lehibe!
Andriamanitra amin’ireo tilikambony
mitomban-ko fiarovana-avo.
Nefa indreny manjaka mivorivory;
dia miara-mandroso.
Kanjo he: mahatazana, midonàka,
mangorohoro, riatra mandositra!
Nihovotrovotra foana teo,
nihararetra toa mpivelona;
toa azon-drivotr’Atsinanana;
irony mahapotika sambon-dranomasina!
Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 20-24)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia nanomboka niteny mafy ireo tanàna nanaovany fahagagana maro;
satria tsy nibebaka ireo; ka nataony hoe:
“Loza ho anao, ry Kôrôzaina,
loza ho anao, ry Betsaida!
fa raha izay no tany Tira sy Sidôna no natao ny fahagagana natao taminareo,
dia efa ho nibebaka ela tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona izy.
Koa lazaiko aminareo, fa amin’ny andron’ny fitsarana,
dia ho moramora kokoa ny hatao amin’i Tira sy i Sidôna noho ny hatao aminareo.
Ary ianao, ry Kafarnaôma, hasandratra hatrany an-danitra va ianao?
Hietry hatrany amin’ny afobe ianao,
fa raha tany Sôdôma no natao ny fahagagana natao tao aminao,
dia mbola ho nitsangan-ko tanàna mandraka androany izy.
Koa dia lazaiko aminao fa ho moramora kokoa ny hatao amin’i Sôdôma amin’ny andron’ny fitsarana
noho ny hatao aminao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 1, 11-17)
Mihainoa ny tenin’ny Tompo, ry mpitsara an’i Sôdôma:
Mampaninona Ahy izay habetsahan’ny soronareo? hoy ny Tompo.
Efa tofoky ny ondralahy atao sorona dorana Aho, mbamin’ny saboran-janak’omby.
Tsy sitrako ny ran’ombalahy, mbamin’ny ondry aman’osy.
Raha tonga hiseho eo anatrehako ianareo,
zovy moa no nitady anareo, handia izay kianjako akory?
Atsaharo ny mitondra fanati-poana ho Ahy;
fahavetavetana amiko ny emboka;
raha ny amin’ny voaloham-bolana, sabata, fiantsoam-piangonana,
dia tsy zakako hankasitrahana ny heloka sy ny fivoriana miaraka ampahibemaso.
Halan’ny foko ny voaloham-bolana amam-petinareo;
mavesatra amiko ireny, sasatra ny mandefitra izany Aho.
Raha manandratra ny tananareo ianareo, misarona maso eo anoloanareo Aho;
raha mampitombo ny fivavahana ianareo, tsy mihaino akory Aho:
Feno ra ny tananareo.
Misasà ianareo, midiova ianareo, esory ny haratsian’ny asanareo, hiala eo imasoko;
mitsahara tsy hanao ratsy, mianara hanao soa;
katsaho ny rariny, anaro ny mpampahory, omeo rariny ny kamboty, arovy ny mpitondratena.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 49, 8-9. 16bd-17. 21 sy 23
Tsy ny fanatitrao no anadidiako anao:
na ny sorona doranao izay anoloako lalandava!
Ahoako inona izay vatotr’omby ao an-tranonao,
na izay osilahy ao am-pahitrao?
Ahoana ianao no mitanisa ny didiko,
sy manao ny fanekeko eo am-bava;
ianao mpankahala anatra,
sy mpanipy ny teniko any ivoho?
Izany ve no ataonao ka dia hangina Aho!
Sa Izaho heverinao ho toa anao?
Izay misorona saotra no hasaiko:
ka hohetsahiko amin’ny vonjiko.
Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 34 — 11, 1)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôly nanao hoe:
“Aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana eto an-tany Aho;
tsy hitondra fiadanana no nahatongavako, fa hitondra sabatra;
fa tonga Aho hampisaraka ny zanakalahy amin’ny rainy,
sy ny zanakavavy amin’ny reniny,
ary ny vinantovavy amin’ny rafozany vavy;
ary ny ankohonan’ny olona ihany no ho fahavalony.
Izay tia ny rainy sy ny reniny mihoatra noho Izaho,
dia tsy mendrika Ahy;
ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho Izaho,
dia tsy mendrika Ahy.
Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy,
dia tsy mendrika Ahy.
Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy,
fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko kosa no hahavonjy azy.
Izay mandray anareo, mandray Ahy;
ary izay mandray Ahy, dia mandray izay naniraka Ahy.
Izay mandray ny mpaminany noho izy mpaminany,
dia hahazo ny valisoan’ny mpaminany;
ary izay mandray olo-marina, noho izy olo-marina,
dia hahazo ny valisoan’ny olo-marina;
ary na iza na iza hanome rano mangatsiaka na dia eran’ny kapoaka monja aza
hosotroin’ny anankiray amin’ireo madinika indrindra ireo,
noho izy mpianatro,
dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.”
Ary rahefa tapitra ny fampianarana nomen’i Jesoa an’ireo mpianany roa ambin’ny folo lahy ireo,
dia niala teo Izy, ka nandeha nampianatra sy nitory teny tamin’ny tanàna manodidina rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco