Vakiteny voalohany

Bokin’i Amôsy Mpaminany (Amôs. 7, 12-15)

Mandehana ianao maminany any amin’ny vahoakako.

Tamin’izany andro izany,
hoy i Amasiasa, mpisoron’i Betela, tamin’i Amôsy:

“Ry mpahita ô, mandehana mandositra any amin’ny tanin’i Jodà,
ka any ianao no mihinàna hanina; any ianao no maminania.
Fa aza maminany aty Betela intsony,
satria fitoera-masin’ny mpanjaka ny aty, ary tranom-panjakana”.

Izao no navalin’i Amôsy an’i Amasiasa:

“Tsy mba Mpaminany aho na zanaky ny Mpaminany;
fa mpiandry omby sy mpamboly aviavy.
Ary nalain’ny Tompo tany aorian’ny biby fiompy aho,
dia nataon’ny Tompo tamiko hoe
Mandehàna ianao, maminany any amin’i Israely vahoakako”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 84, 9ab-10. 11-12. 13-14

Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao; omeo anay ny famonjena avy aminao.

Hihaino izay lazain’ny Tompo aho:
moa tsy fiadanana no lazainy
ho an’ny olony mpivavaka aminy.
Akaiky an’izay matahotra Azy ny famonjeny,
efa honina eto amin’ny tanintsika ny voninahiny.

Tafahaona ny fitiavana sy ny fahamarinana,
mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana,
ny fahamarinana mitrebona ety an-tany,
ny rariny kosa mitranga eny an-danitra.

Ny Tompo amim-peo avo manome orana,
ny tanintsika manome ny vokany;
ny rariny mizotra eo anoloany,
ny fiadanana manjohy ny diany.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 1, 3-14)

Nifidy antsika tao aminy talohan’ny nahariana izao tontolo izao Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay nitso-drano antsika tao amin’i Kristy
amin’ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra,
sy nifidy antsika tao aminy talohan’ny nahariana izao tontolo izao,
mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika,
ary nanendry antsika rahateo tamim-pitiavana araka ny sitraky ny fony,
mba ho zanaka hatsangany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika;
nampamirapiratra ny voninahitry ny fahasoavany izany,
dia ny fahasoavany nanasoavany antsika ao amin’Ilay malalany.
Izy no ahazoantsika ny fanavotana amin’ny Rany, sy ny famelana ny fahotantsika,
araka ny haben’ny fahasoavany, izay nomen’Andriamanitra be dia be ho antsika
tamin’ny fahendrena amam-pahalalana rehetra,
fa nampahafantariny antsika ny lahatra lalin’ny safidim-pony,
izay nofidin’ny hatsaram-pony hotanterahiny, rehefa feno ny andro:
dia ny hanakapohana ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy,
na ny any an-danitra, na ny ety an-tany.

Tao aminy ihany koa no nandraisantsika ny lovantsika, rahefa voatendry rahateo isika,
araka ny fikasan’Ilay manao ny zavatra rehetra manaraka ny hevitry ny Fony,
mba ho fankalazana ny voninahiny isika,
dia isika izay nanantena an’i Kristy rahateo.
Tao aminy ianareo no nino, rehefa nahare ny tenin’ny fahamarinana,
ny Evanjelin’ny famonjena anareo,
ka nasiana ny tombo-kasen’ny Fanahy Masina,
Izay nampanantenaina sy santatry ny lovantsika,
mandra-pahatanteraky ny fanavotana an’izay rehetra nofidin’Andriamanitra
ho fankalazana ny voninahiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 7-13)

Nanomboka naniraka azy ireo Izy.

Tamin’izany andro izany,
niantso ny roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy i Jesoa,
ka naniraka azy tsiroaroa, sy nanome fahefana azy handroaka ny fanahy maloto.
Ary noraràny tsy hitondra na inona na inona eny an-dalana izy ireo
na kitapo, na mofo, na farantsa kely varahina amin’ny fehikibony, afa-tsy tehina ihany,
fa ny tongotra no asiana kapa, ary tsy mitondra akanjo roa.
Ary hoy koa Izy taminy:

“Na aiza na aiza alehanareo,
dia mitoera amin’izay trano hidiranareo ambara-pialanareo.
Ary raha misy tsy mampiantrano na tsy mihaino anareo,
dia mialà ao ka ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo ho fiampangana azy”.

Dia nandeha izy ireo ka nitory tamin’ny olona fa tsy maintsy mibebaka izy,
sy nandroaka demony maro ary nanosotra diloilo ny marary betsaka sy nanasitrana azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Ny anarana hoe JAKOBA dia midika hoe miasa amim-pahakingiana ; i JAKOBA dia endriky ny fiainantsika. Ny faharetana sy ny fahakingana dia tombony tsara ho antsika. Fahasoavana ny hakingana sy ny faharetana ary tsotrano avy amin'Andriamanitra, Mpahary izao tontolo izao. Mety hisy fifanoherana eo amin'ny zaza na kambana aza, ery mety ho tonga fizarahan-kevitra lehibe. Katesizy momba an'i Jakoba, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

8 jolay 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahefatra ambin'ny folo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo dia fanahy sy fiainana. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 18-26)

Mila olona vonona sy mahitsy, manana fitiavana, azo hitokisana, mitandro ny fahamarinana ary mahay manaja ny hafa mba ho fanatsarana ny fifandraisan'ny fiaraha-monina sy ho fampandrosoana. I Kristy dia nanao sorona ny tenany teo amin'ny Hazofijaliana ka io hazo io no atao hoe "alitara". Ny Konsily vatikana-II 1962 dia namerina ny raharaha fanaon'ny diakra raikitra, sy ny mety ho fahafahana manambady. Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...