Ny zava-dehibe dia i Abrahama natoky ny tenin'ny Tompo, ka teraka teo ny fomba fiheverana ny fifandraisana amin'Andriamanitra. Tonga olon'Andriamanitra izy ary ireo finoana lehibe telo : Jody, Kristiana ary ny Silamo dia samy manaiky azy. Ny mivavaka dia miasa amim-panantenana fa tsy miasa fahatany na hoe efa mivavaka ka mila miasa indray ve? Maro ireo olona kivy rehefa tsy mahazo valim-bavaka. Katesizy momba ny vavak'i Abrahama, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
3 jolay 2024 — Masindahy Tômà, Apôstôly — Fety — Nino ianao, ry Tômà, satria nahita, hoy ny Tompo; fa sambatra izay tsy nahita ka mino — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 24-29)
♦ Nampahafantarina sy niadian-kevitra androany, teny amin'ny Carlton Anosy, ny tetikasa PEI, teti-pivoarana hamatsiana angovo eto Madagasikara... ♦ Tombanana hahatratra 3 hetsy sy 2 tapitrisa Dolara Kanadianina ireo vokatra avy eto Madagasikara izay kasaina hahondrana any Canada... ♦ Niisa 26 ireo tranga fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary avy eto Madagasikara, tato anatin'ny enim-bolana, raha ny tatitry ny AVG...
Bokin’i Osea Mpaminany (Os. 14, 2-10)
Hoy ny Tompo:
Miverena amin’ny Tompo, ry Israely, fa ny helokao no nahalavo anao.
Mitondrà teny ianareo, miaraka aminareo, ka miverena amin’ny Tompo;
lazao aminy hoe:
Esory ny heloka rehetra ary raiso izay tsara.
Aoka hatolotray Anao ho solon’ny vantotr’ombalahy ny teny avy amin’ny molotray.
I Asora tsy hamonjy anay, izahay tsy hitaingin-tsoavaly; na hiteny hoe:
“Ry Andriamanitray ô”
amin’ny asan’ny tananay.
Ianao, izay ahitan’ny kamboty fiantrana!
Hositraniko ny fiodinany;
ho tiako amin’ny foko tokoa izy, fa efa niala taminy ny fahatezerako.
Ho toy ny ando aho amin’i Israely;
ka haniry toy ny lisy izy, ary handatsaka ny fakany tahaka an’i Libàna.
Izay ho avy hiala sasatra ao ambanin’ny alokalony,
hampahavokatra ny vary indray;
haniry toy ny voaloboka izy;
ary ho tahaka ny divain’i Libàna ny anarany.
Efraima... Inona no mbola hataony any amin’ny sampy?
Izaho no efa mamaly ny fangatahany sy mitsinjo azy;
tahaka ny sipresa maitso Aho;
Izaho no iavian’ny voanao.
Izay hendry no aoka hahafantatra izany zavatra izany,
izay manan-tsaina aoka hiaiky izany ho marina.
Fa mahitsy ny lalan’ny Tompo;
ka ny marina no hizotra eo,
fa ny mpiodina kosa, lavo aminy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 50, 3-4. 8-9. 12-13. 14 sy 17
Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitra
fa Ianao manko lalim-pitiavana.
Mba koseho re ny heloka vitako,
dia diovy aho hiala amin’ny otako.
Izay marina anaty no marina,
ka toroanao mangina aho, ry Tompoko.
Ary fafazo ra aho ho sitrana:
hihoatra ny oram-panala ny dioko.
Fo madio vaovao no angatahiko,
sy fanahy mahatoky tanteraka.
Aza alàna aminao aho, ry Tompoko,
ny Fanahy aza esorinao amiko.
Amereno hafaliana aho ho vonjiko,
dia tolory fanahy tena mendrika.
Eny, Tompo ô, sokafy ny molotro,
dia hidera tokoa izany vavako.
Aleloia. Aleloia.
Hamirapiratra tahaka ny fahazavan’izao tontolo izao ianao, raha mitana ny tenin’ny fahamarinana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 16-23)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe:
“Indro Aho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia,
ka mbà malina tahaka ny bibilava ianareo,
ary mbà tsotra tahaka ny voromailala.
Mitandrema, fa hotorìn’ny olona amin’ny fitsarany ianareo;
sy hokapohiny ao amin’ny sinagôgany;
ary hoentiny eo anatrehan’ny mpifehy sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko,
mba ho vavolombeloko eo aminy sy amin’ny jentily.
Fa raha hatolony ianareo, dia aza manahy izay fomba fandaha-teny,
na izay teny holazainareo, fa hatoro anareo eo no ho eo ihany izany;
satria tsy ianareo no hiteny fa ny Fanahin’ny Rainareo no hiteny ao aminareo.
Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny hovonoina,
ny ray hanolotra ny zanany, ny zanaka hiodina amin’ny ray aman-dreniny ka hamono azy;
ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako:
fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.
Raha enjehina amin’ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin’ny hafa;
fa lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy hahatety ny tanànan’i Israely ianareo
mandra-pahatongan’ny Zanak’Olona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco