16 aogositra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahasivy ambin'ny folo Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin’ny fahamarinana aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 3-12)
Amin'ny vavaka nataony i Elia dia niantso ny Andriamanitry ny razany izay nanao fanekem-pihavanana tamin'izy ireo ary tsy mitsahatra manavao mandrakariva ny fampanantenana tao amin'izany fanekem-pihavanana izany. Tsy hoe nanangana ny ôtelin'ny Tompo fotsiny izy fa nitarika ny vahoaka hanana jery todika amin'ny efa lasa ary nanampy azy ireo mba handeha lavidavitra amin'izay fanomezan-danja ny lasa izay. Katesizy momba ny vavak'i Elia, iarahana amin'i P. Ramamonjisoa Herizo Elie.
15 aogositra 2024 — I Masina Maria Virjiny nampakarina any an-danitra — Fankalazana manetriketrika — Nampiakarina any an-danitra i Maria, ka mifaly ny tafiky ny Anjely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 39-56)
♦ Ho fantatra amin'ny herinandro ho avy ny mpikambana handrafitra ny Governemanta vaovaon'ny Praiminisitra Ntsay Christian, hoy ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina androany... ♦ Efa vonona ny tetibola 52 Miliara Ariary, hiatrehan'ny CENI ny fanomanana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina amin'ny 11 desambra 2024, hoy ny filohan'ity andrim-panjakana ity... ♦ Ho vaindohan-draharahan'ny Tale jeneraly vaovaon'ny Bianco, Razakamanantsoa Gaby Nestor, ny ady amin'ny kolikoly amin'ny sehatry ny fananan-tany. Tontosa androany ny lanonam-pitsarana nametrahana azy...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco