Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 1, 17-25)
Ry kristianina havana,
tsy ny hanao batemy no nanirahan’i Kristy ahy, fa ny hitory ny Evanjely.
Tsy tamin’ny lahateny kanto anefa, fandrao foanan’izany ny Hazofijalian’i Kristy.
Fa hadalana ny fampianarana ny amin’ny Hazofijaliana ho an’izay very,
ary herin’Andriamanitra kosa izany amintsika voavonjy, satria voasoratra hoe:
Hofoanako ny fahendren’ny hendry; ary holaviko ny fahaizan’ny mahay.
Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitr’izao tontolo izao?
Tsy nahariharin’Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’izao tontolo izao?
Fa noho ny fahendren’Andriamanitra,
dia tsy nahalala an’Andriamanitra ny fahendren’izao tontolo izao,
ka dia ny hadalan’ny fitorian-teny no sitrak’Andriamanitra hamonjena izay mino.
Fa ny Jody mila famantarana, ny Jentily mitady fahendrena,
ary izahay kosa mitory an’i Kristy voafantsika tamin’ny Hazofijaliana.
Fanafintohinana amin’ny Jody izany, ary fahadalana amin’ny Jentily;
fa i Kristy herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra kosa
amin’izay voaantso, na Jody na Jentily.
Fa izay toa fahadalan’Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren’ny olombelona,
ary izay toa fahalemen’Andriamanitra dia mahery noho ny herin’ny olombelona.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 32, 1-2. 4-5. 10ab sy 11
Hobio ny Tompo, ry olo-marina:
dia Ilay mendrika hoderaina, ry olo-mahitsy!
Derao amin-dokanga ny Tompo;
antsao amim-baliha tory folo!
Fa mahitsy ny tenin’ny Tompo; ara-drariny ny asany rehetra;
ny fahamarinana sy ny hitsiny no tiany;
ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany.
Ny Tompo mandrava ny fanampoizan’ny firenena,
sy manafoana ny fikasan’ny vahoaka.
Ny fanampoizan’ny Tompo maharitra mandrakizay;
ny fikasan’ny fony, amin’ny taranaka mifandimby.
Aleloia. Aleloia.
Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 1-13)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza ity fanoharana ity tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny virjiny folo izay naka ny fanalany,
ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina.
Ny dimy tamin’izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry;
ny dimy adala nitondra fanala fa tsy nitondra solika;
fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin’ny fitoeran-tsolika.
Ary noho ny fahelan’ny mpampakatra, dia samy rendremana izy rehetra ka natory.Fa nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso mafy hoe:
‘Inty tamy ny mpampakatra, mandehàna mitsena azy ianareo.’
Tamin’izay, dia niarina ireo virjiny rehetra ireo ka nanamboatra ny jirony.
Ary hoy ny adala tamin’ny hendry:
‘Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay, fa efa ho faty ny jironay.’
Hoy ny navalin’ny hendry azy:
‘Ndrao tsy ampy ho anay sy anareo,
fa aleo mankany amin’ny mpivarotra ianareo, ka mividiana ho anareo.’
Ary raha mbola nandeha hividy izy, dia tonga ny mpampakatra
ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady,
dia nohidiana ny varavarana.
Nony afaka kelikely, dia tonga kosa ireto virjiny sasany ka nanao hoe:
‘Tompoko, tompoko, vohay izahay.’
Fa hoy ny navaliny azy:
‘Lazaiko aminareo fa tsy fantatro akory ianareo.’
Koa miambena ianareo, fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer 1, 17-19)
Tamin’izany andro izany,
dia tonga tamiko ny tenin’ny Tompo nanao hoe:
“Misikìna, mitsangàna ary lazao aminy izay rehetra handidiako anao.
Aza mangovitra eo anatrehany fandrao ataoko mangovitra eo anatrehany ianao.
Indro Aho anio manao anao ho tanàna mimanda,
andry vy ary manda varahina, eo anatrehan’ny tany rehetra,
eo anatrehan’ny mpanjakan’i Jodà, sy ny mpifehy eo aminy,
eo anatrehan’ny mpisorony, eo anatrehan’ny vahoakany.
Hiady aminao izy nefa tsy hahefa na inona na inona aminao,
satria momba anao Aho, hamonjy anao Aho”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal 70, 1-2. 3-4a. 5-6ab. 15ab sy 17
Ianao no ifefeko ry Tompo!
Tsy ho azon-kenatra aho, ry Ilay mandrakizay!
Afaho noho ny fahamarinanao;
itongilano sofina ka vonjeo!
Aoka Ianao ho vatolampy fialofako,
ho trano mafy mahavonjy!
Eny, Ianao no haram-bato
sy toera-mafy ho ahy, Andriamanitra ô!
Fa Ianao no tokiko, ry Tompo Andriamanitra,
fanantenako hatra ny fahakeliko!
Hatrany am-bohoka, Ianao no heriko;
hatrany an-kibon’ineny, Ianao no Mpiaro ahy.
Ny fiderana Anao tovonako hatrany;
ny vavako mitanisa tontolo andro ny fahamarinana sy vonjinao.
Andriamanitra ô! mbola kely aho no nampianarinao,
ka hatrizao dia manambara ny asanao mahagaga.
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk 6, 17-29)
Tamin’izany andro izany,
i Herôda dia naniraka hisambotra sy hamatotra an’i Joany tany an-tranomaizina,
noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny
izay nalainy ho vady.
Satria i Joany nanao taminy hoe:
“Tsy mahazo manambady ny vadin-drahalahinao ianao”.
Ka tonga halan’i Herôdiada izy sy nirìny ho faty aza,
saingy tsy azony natao izany noho ny tahotr’i Herôda an’i Joany,
izay hitany fa lehilahy marina sy masina
ka narovany sady narahany hevitra tamin’ny zavatra maro,
sy nohenoiny tamin-kafaliana.
Ary tonga ny andro tsara,
dia ny fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Herôda
ka nanaovany fanasana ho an’ny manamboninahiny
sy ny tompon’arivo ary ny loholona tany Galilea.
Fa niditra nandihy tao an-trano fanasana ny zanakavavin’i Herôdiada
ka nahafaly an’i Herôda sy izay niara-nihinana taminy;
dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy:
“Angataho amiko izay tianao, fa homeko anao”.
Sady nampiany tamim-pianianana hoe:
“Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao,
na dia ny antsasaky ny fanjakako aza”.
Dia nivoaka razazavavy,
ka nanontany an-dreniny hoe:
“Inona no hangatahiko?”
Ary hoy reniny:
“Ny lohan’i Joany Batista”.
Dia nidododo faingana nankao amin’ny mpanjaka izy,
ka nangataka hoe:
“Tiako raha homenao ahy an-dovia izao ankehitriny izao
ny lohan’i Joany Batista”.
Nalahelo ny mpanjaka,
kanefa noho ny fianianana sy noho ireo olona niara-nihinana taminy
dia tsy sahy nandà an-drazazavavy izy,
fa nirahiny faingana ny mpiambina anankiray
nasainy hitondra ny lohan’i Joany amin’ny lovia.
Dia nandeha nanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina ilay mpiambina,
ka nitondra azy tamin’ny lovia, ary nomeny an-drazazavavy,
dia nomen-drazazavavy an-dreniny kosa.
Nony nandre izany ny mpianany,
dia tonga naka ny fatiny ka nandevina azy.
— Izany àry ny tenin’Tompo.
Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (2 Tes. 3, 6-10. 16-18)
Ry kristianina havana,
mandidy anareo amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika izahay,
mba hisaraka amin’ny rahalahy rehetra tsy manaraka ny fampianarana noraisiny taminay,
fa manao fitondran-tena tsy marina.
Efa fantatrareo izay tokony hataonareo mba hakan-tahaka anay,
fa tsy mba nanao izay tsy marina teo aminareo izahay.
Tsy mba nihina-mofon’olona maimaim-poana izahay, fa niasa andro aman’alina,
ka sasatra sy trotraka erý,
mba tsy hahavaky tratra na dia ny iray akory taminareo aza;
tsy noho izahay tsy manam-pahefana anefa,
fa noho izahay te-hanolo-tena ho fakan-tahaka ho anareo.
Fony mbola tany aminareo ihany izahay dia efa nandidy anareo hoe:
Raha misy tsy mety miasa, dia aoka koa izy tsy hihinana.
Ny Tompon’ny fiadanana anie hanome fiadanana anareo mandrakariva amin’ny zavatra rehetra.
Homba anareo rehetra anie ny Tompo.
Ity no veloma soratan’ny tanako, izaho Paoly.
Toy izao no soratro, ka ataovy famantarana ny taratasiko rehetra.
Homba anareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 121, 1-2. 4-5
Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo
sy mizotra amin’ny lalany!
Mahazo voka-tsoa tokoa amin’ny asanao ianao:
ka sambatra sy tretrika.
Izany tokoa no fitahiana
ny lehilahy matahotra ny Tompo!
Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo,
hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema.
Aleloia. Aleloia.
Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 27-32)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao hoe:
“Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
fa tahaka ny fasana voalalotra fotsy ianareo eto ivelany ka miseho ho tsara,
fa ao anatiny feno taolam-paty sy olitra.
Toy izany koa, ianareo eto ivelany miseho ho marina eo imason’ny olona,
nefa ao anatinareo feno fihatsarambelatsihy sy faharatsiana.
Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
fa manamboatra ny fasan’ny mpaminany ianareo
sady manisy haingony ny tsangam-baton’ny olo-marina ka manao hoe:
‘Raha izahay no mba tamin’ny andron’ny razanay,
dia tsy ho niray tetika taminy, handatsaka ny ran’ny mpaminany izahay.’
Koa amin’izany ny tenanareo ihany no mitsangan-ko vavolombelona
fa zanak’izay namono ny mpaminany ianareo.
Fenoy àry ny famaran’ny razanareo!”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (2 Tes. 2, 1-3a. 14-17)
Ry kristianina havana,
ny amin’ny hahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo aminy,
dia mihanta aminareo izahay mba tsy hety hozongozonin-tsaina mora foana ianareo,
na ho azo ampitahorina foana, na amin’ny fanahy izany, na amin’ny teny,
na amin’ny taratasy hamboina ho avy aminay,
mova tsy ny efa antomotra iny ny andron’ny Tompo.
Aza mety hofitahin’ny olona velively.
Ny Evanjelinay no niantsoan’Andriamanitra anareo,
mba hahazoanareo ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Koa tomoera tsara, ry kristianina havana;
ary tano ny fampianarana noraisinareo, na ny tamin’ny teny am-bava, na ny tamin’ny taratasinay.
Enga anie i Jesoa Kristy Tompontsika, sy Andriamanitra Raintsika,
izay efa tia antsika, ka nanome antsika fanalàna alahelo mandrakizay,
sy fanantenana tsara amin’ny fahasoavana,
no hanafaka alahelo ny fonareo sy hankahery anareo amin’ny asa tsara aman-teny soa rehetra!
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 95, 10. 11-12. 13
Ilazao ny firenena:
Manjaka ny Tompo!
Izao tontolo izao mafy orina, tsy hihontsona.
Ny vahoaka tsarainy araka ny hitsiny.
Aoka hifaly ny lanitra, hiravo ny tany,
hidobodoboka ny riaka sy izay mameno azy,
hibitaka ny saha sy izay rehetra ao aminy,
hanakora avokoa ny hazo any an’ala.
Mba hitsena ny Tompo:
fa tamy Izy mba hitsara ny tany,
hitsara ny tontolo araka ny rariny,
sy ireo vahoaka araka ny hitsiny.
Aleloia. Aleloia.
Araikao amin’ny Fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 23-26)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny nanao hoe:
“Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
fa ny ampahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina aloanareo;
nefa ny zavatra lehibebe kokoa amin’ny Lalàna tsy tandremanareo,
dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana.
Izany no tsy maintsy arahinareo, nefa ireroa koa tsy azonareo avela.
Ry mpitari-dalana jamba, ny moka tantavaninareo, nefa ny rameva atelinareo!
Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
fa ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia diovinareo,
nefa ny ao anatiny feno halatra sy tsy fahonònana.
Ry Farisianina jamba, diovy aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia
mba ho madio koa ny vohony.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco