Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 3, 3-8a)

Ireny toa tombony ho ahy ireny dia nataoko faty antoka noho ny amin’i Kristy.

Ry kristianina havana, isika no tena voafora,
dia isika izay manompo an’Andriamanitra amin’ny Fanahy,
sy manao an’i Kristy Jesoa ho reharehantsika,
ary tsy mitoky amin’ny nofo.
Mba manana izay hitokiako amin’ny nofo ihany anefa aho,
ka raha ny olon-kafa aza manao azy ho afa-mitoky amin’ny nofo, mainka fa izaho;
fa izaho dia isan’ny voafora tamin’ny andro fahavalo,
taranak’i Israely avy amin’ny fokon’i Benjamina,
Hebrio teraky ny Hebrio;
Farisianina aho, raha ny amin’ny Lalàna;
mpanenjika ny Eglizy, raha ny amin’ny zotom-po;
tsy manan-tsiny, raha ny amin’ny fahamarinana ny amin’ny Lalàna.
Ireny toa tombony ho ahy ireny anefa,
dia nataoko faty antoka noho ny amin’i Kristy.
Eny, mbola ataoko ho faty antoka izany rehetra izany,
raha oharina amin’ny fahambonian’ny fahalalana an’i Kristy Jesoa Tompoko.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 104, 2-3. 4-5. 6-7

Miravoa ny fon’ny mpitady ny Tompo.

Hirao Izy! Antsao!
Vetsoy ny asany mahagaga!
Ireharehao ny Anarany Masina!
Miravoa ny fon’ny mpitady ny Tompo!

Katsaho ny Tompo sy ny heriny!
Tadiavo lalandava ny Tavany!
Tsarovy ny asa mahagaga nataony!
ny asany mahatalanjona, ny fitsaran’ny Vavany.

Ry taranak’i Abrahama mpanompony,
ry zanak’i Jakôba, ianareo voafidiny!
Izy no Tompo Andriamanitra:
manerana ny tany tontolo ny fitsarany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 15, 1-10)

Hisy hafaliana lehibe any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka.

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny poblikanina rehetra sy ny mpanota,
ka nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe:

“Ilay ity mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy.”

Dia nanao ity fanoharana ity tamin’izy ireo i Jesoa hoe:

“Iza moa aminareo no manana ondry zato ka very ny anankiray
no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an’efitra,
ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy?
Ary rahefa hitany dia ataony eo an-tsorony an-kafaliana,
ka nony tonga any an-tranony izy,
dia mamory ny sakaizany sy ny olo-mifanakaiky aminy ary manao amin’ireo hoe:
‘Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny ondriko very.’
Lazaiko aminareo, fa toy izany
koa hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka,
noho ny amin’ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana.
Sa iza no vehivavy manana dragma folo ka very ny anankiray
no tsy hampirehitra jiro sy hifafa trano,
ary hitady azy tsara ambara-pahitany azy?
Ary rahefa hitany dia mamory ny sakaizany sy ny vehivavy mifanakaiky aminy izy ka manao hoe:
‘Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny dragmako very.’
Toy izany koa lazaiko aminareo, fa hisy hafaliana lehibe
eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra raha misy mpanota iray mibebaka.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...