Ireo tombontsoa angatahina amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanany Tompontsika, hany mpanavotra sy Mpamonjy antsika, dia aoka ny vavak'Izy ireo sy ny heriny ary ny fanampiany no hidodododoantsika. Eo amin'ny Olomasina Izy Andriamanitra no miteny amintsika sy manondro ho hitantsika ny Famantarana ny Fanjakany, izay itambaran'ny vavolombelona zavontany... Katesizy momba ny miara-mivavaka amin'ireo Olomasina, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
12 desambra 2024 — Alakamisy, Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao, ary omeo anay ny famonjena avy aminao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 11, 11-15)
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco