12 desambra 2024 — Alakamisy, Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao, ary omeo anay ny famonjena avy aminao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 11, 11-15)

Sady manambara ny halehiben’i Joany Batista i Jesoa no maneho ny fiambaniany. Lehibe amin’ireo mpaminany teo alohany i Joany Batista satria nambarany fa tapitra ny fotoam-piandrasana ny tantara vaovaon’olombelona nohavaozin’ny Fanahy Masina, vokatry ny Pakan’i Kristy.

Mila fahavononana tanteraka anefa ny fidirana handraisana anjara ao anatin’izany vanim-potoana izany. Ilaina ny fikelezana aina hikatsahana ny famonjena manoloana an’izany taom-pahasoavana entin’i Jesoa Kristy amintsika izany. Manana anjara toerana amin’izany ihany koa ny fahasoavany satria io no manohana antsika hatrany amin’izany ezaka masina ataontsika izany.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...