Boky Fahendrena (Fah. 17, 7-11)
Nivavaka aho, ka nomena ahy ny fahiratan-tsaina;
niantso aho, ka tonga tamiko ny Fanahy Fahendrena.
Naleoko izany, toy izay tehim-panjakana aman-tsatro-boninahitra;
ary nataoko tsy misy vidiny ny harena, miolotra amin’izany.
Tsy nampitovìko taminy, ny vato saro-bidy indrindra;
fa fasika kely ihany ny volamena rehetra amin’izao tontolo izao miolotra aminy,
ary tsy maintsy ho fotaka ihany ny volafotsy mitaha aminy.
Tiako noho ny hasalamana aman-katsaran-tarehy izy;
naleoko manana azy, toy izay manana ny fahazavana,
satria tsy mba maty na oviana na oviana ny fanilony.
Tonga tamiko miaraka aminy ny soa rehetra;
ary harena tsy hita lany, no eo an-tanany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 89, 12-13. 14-15. 16-17
Asehoy ny tokony ho fanisanay ny andronay,
dia mba hisy fahendrena ao am-ponay.
Miverena, Tompo ô! — Mandra-pahoviana?
Aoka Ianao hilefaka amin’ny olonao!
Hetsaho faingana amin’ny fitiavanao izahay,
ka hihoby sy hifaly amin’ny andronay sisa.
Araka ny taona sy ny andro nanasazianao
no aoka hampifalianao anay.
Asehoy ny mpanomponao ny asanao;
ny voninahitrao asehoy ny zanany.
Tongava ao aminay ny hamamian’ny Tompo!
Hamafiso ny asan’ny tananao!
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 4, 12-13)
Ry kristianina havana, velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra,
ka maranitra noho ny sabatra roa lela,
maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza;
fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
Tsy misy zava-boaary miafina eo anatrehan’Andriamanitra,
fa mihanjahanja sy miharihary eo imason’Izy hampamoaka antsika,
ny zavatra rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 17-30)
Tamin’izany andro izany, nony nivoaka handeha i Jesoa,
dia nisy lehilahy anankiray nidodododo nandohalika teo anatrehany,
ka nanontany Azy hoe:
“Ry Mpampianatra tsara ô,
inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Nahoana no ataonao hoe tsara aho?
Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery.
Fantatrao ny didy hoe:
Aza mijangajanga,
aza mamono olona,
aza mangalatra,
aza mety ho vavolombelona tsy marina,
aza manambaka,
manajà ny rainao aman-dreninao”.
Dia hoy ny navaliny Azy:
“Mpampianatra ô,
hatry ny fony kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany”.
Ary nijery azy i Jesoa, dia tia azy ka nanao taminy hoe:
“Zavatra iray loha no tsy ampy aminao:
mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra,
dia hanan-drakitra any an-danitra ianao,
ary raha efa izany dia avia hanaraka Ahy”.
Nampahory azy izany teny izany satria nanan-karena be izy,
ka niala tamin’alahelo.
Ary nijerijery manodidina i Jesoa ka nanao tamin’ny mpianany hoe:
“Akory ny hasarotry ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra!”
Nony gaga tamin’izany teny izany ny mpianany,
dia hoy indray i Jesoa taminy:
“Sarotra, anaka, ny hidiran’izay miankina amin’ny harena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra
noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra”.
Vao mainka gaga izy ireo ka nifampilaza hoe:
“Iza àry no mety ho voavonjy?”
Fa nojeren’i Jesoa izy ka nilazany hoe:
“Amin’ny olombelona zava-tsy vitany izany;
tsy mba toy izany amin’Andriamanitra,
satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra”.
Ary hoy i Piera taminy:
“Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao”.
Dia hoy ny navalin’i Jesoa azy:
“Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano,
na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany
noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely,
ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin’ity fiainana ity,
dia trano, rahalahy, anabavy, ray, reny, zanaka, tany,
na dia ao anatin’ny fanenjehana aza,
ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Isan'ny hanehoana ny fitiavan-tanindrazana dia porofo ny maha Kristiana marina satria mikatsaka ny fiombonana tanteraka, toy ny fiaraha-monin'ny Trinite Masina. Na inona na inona no asanao dia mifototra amin'ny fitiavan-tanindrazana izany, eo koa ny fanekena fanendrena, fahaizana mampitohy amin'ny taranaka ny lova tsara sy mendrika. Mbola maro ireo fahalovana misy eto Madagasikara koa ireo mpilatsaka hofidiana sy ny mpifidy dia samy tompon'andraikitra... Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Aoka isika ho tabernakla kely, mitondra an'i Jesoa ao anatintsika ao, na aiza na aiza, na oviana na oviana dia mba hazavainy ny lalanao sy ny any hafa. Amin'ny toe-javatra rehetra dia nanana fijery lalina i Masina Maria, mahay mamaky ny zava-nisy niainan'i Jesoa izy, hatrany ao am-po miafina. Azo atao ny mitsaoka, misaotra, mangataka amin'i Jesoa any amin'ny toerana izay misy anao rehetra any... Katesizy momba any Maria, modely amin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
6 ôktôbra 2024 — Alahady Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao, Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 2-16)
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco