Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 6, 8-10 ; 7, 54-59)

Indro hitako ny lanitra misokatra.

Tamin’izany andro izany,
dia feno fahasoavana sy herim-po i Etiena,
ka nanao fahagagana sy famantarana lehibe tao amin’ny vahoaka.
Fa ny sasany avy amin’ny sinagôgan’ny Libertina,
sy ny an’ny Sireneanina sy ny Aleksandrinina,
mbamin’ny Jody avy any Silisia sy Azia,
dia nitsangana niady hevitra tamin’i Etiena,
fa tsy nahatohitra ny fahendrena
sy ny Fanahy Masina izay nitenenany izy ireo.
Nony nandre ny teniny izy ireo, dia nisafoaka ny fony,
ary nihidy vazana taminy izy.
Fa i Etiena kosa feno ny Fanahy Masina dia nibanjina ny lanitra,
ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra, sy i Jesoa
nitsangana teo ankavanan’Andriamanitra ary nanao hoe:

“Indro hitako ny lanitra misokatra,
mbamin’ny Zanak’olona
mitsangana eo ankavanan’Andriamanitra.”

Fa indray nihoraka izy rehetra,
sady nanentsin-tadîny no niara-niantoraka taminy.
Dia notaritiny tany ivelan’ny tanàna izy,
ka notorahany vato ;
ary ny vavolombelona dia nametraka ny fitafiany
teo an-tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly.
Raha mbola nitora-bato azy izy ireo,
i Etiena kosa nivavaka nanao hoe:

“Jesoa Tompo ô, raiso ny fanahiko.”

Dia nandohalika izy, ka niantso tamin’ny feo mahery hoe:

“Tompo ô! aza tanana izao hadisoany izao.”

Nony nilaza izany izy, dia nody mandry teo amin’ny Tompo.
Ary i Saoly nankatò ny namonoana azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 30, 3de-4. 6ab sy 7b ary 8a. 17 sy 21ab

Tompo ô, apetrako eo an-tananao ny aiko.

Metia, ry Vatolampy fierena!
Vonjeo aho, ry Trano fiarovana!
Ianao no haram-bato sy toera-mafy ho ahy,
ny Anaranao itarihana sy itantanana ahy!

Apetrako eo an-tananao ny aiko,
avoty aho, ry Tompo Andriamanitra!
Ianao kosa no ifefeko!
Mibitaka sy ravo aho.

Asehoy ny mpanomponao ny tavanao!
Vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao!
Ny fieren’ny tavanao no anafenanao azy,
lavitra ny tetika ataon’ny olona.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hisaorana anie Ilay avy amin’ny Anaran’ny Tompo ; ny Tompo Andriamanitra Mpanazava antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 10, 17-22)

Tsy ianareo no hiteny fa ny Fanahin’ny Rainareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao tamin’ny mpianany hoe:

“Mitandrema, fa hotorîn’ny olona amin’ny fitsarany ianareo,
sy hokapohiny ao amin’ ny sinagôgany ;
ary hoentiny eo anatrehan’ny mpitondra sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko,
mba ho vavolombeloko eo aminy sy amin’ny jentily.
Fa raha hatolony ianareo,
dia aza manahy izay fomba fandaha-teny na izay teny holazainareo,
fa hatoro anareo eo no ho eo ihany izany ;
satria tsy ianareo no hiteny,
fa ny Fanahin’ny Rainareo no hiteny ao aminareo.
Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny hovonoina,
ny ray hanolotra ny zanany,
ny zanaka hiodina amin’ny rainy aman-dreniny, ka hamono azy ;
ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako ;
fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...