Vakiteny voalohany

Bokin'i Izaia Mpaminany (Iz 62, 1-5)

Ny Tompo hankasitraka anao.

Noho ny amin'i Siôna, tsy hangina Aho,
ary noho ny amin'i Jerosalema, tsy hiala sasatra Aho,
mandra-piposaky ny fahamarinany ohatra ny hazavan'ny maraina;
sy mandra-pamirapiratry ny famonjeny, ohatra ny fanilo.
Hahita ny voninahitrao ny mpanjaka rehetra,
ka hantsoina amin'ny anaram-baovao ianao,
izay hofidin'ny vavan'ny Tompo.
Ho satro-boninahitra eo an-tanan'ny Tompo ianao,
sy ho hamaman'andriana eo an-tanan'ny Andriamanitsika.
Tsy hisy intsony hanao anao hoe “Inafoy”,
ary tsy hisy intsony hiantso ny taninao hoe i “Faharinganana”.
Fa ny hiantsoana anao dia ny hoe i “Ankasitrahiko”;
ary ny taninao i “Vady ampakarina”.
Satria ny Tompo hankasitraka anao,
ary ny taninao hahazo vady.
Tahaka ny hampakaran'ny zatovo ny virjiny ho vadiny
no hampakaran'ny zanakao anao;
ary tahaka ny amalifalian'ny ampakarina ny mpampakatra,
no hamalifalianao ny Andriamanitrao.

— Izany àry ny tenin'ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 88, 4-5. 16-17. 27 sy 29

Hohiraika mandrakizy ny famindram-pon'ny Tompo.

Nanaovako fanekena ilay voafidiko;
i Davida mpanompoko, nianianako:
Ajoroko ho mandrakizay ny taranakao,
ny fiketrahanao aoriko ho lalandava!

Sambatra ilay vahoaka mahay mihoby,
ilay masoandro amin'ny hazavan'ny Tavanao,
mifaly amin'ny Anaranao tontolo andro,
sy mientana amin'ny fitiavanao ny rariny.

Ianao no Raiko, hoy izy miantso ahy;
Vatolampy famonjena ahy sy Andriamanitro!
Ny fitiavako, hotanako aminy mandrakizay,
ho azony antoka tokoa ny fanekeko.

Vakiteny faharoa

Boky mitantara ny Asan'ny Apôstôly (Asa 13, 16-17. 22-25)

Fanambaran'i Paoly momba an'i Kristy Zanak'i Davida.

Nony tonga tany Antiôkia any Pisidia i Paoly,
dia nitsangana tao amin'ny sinagôga,
nanofa tanana ny olona hangina, ka nanao hoe:

“Mihainoa ry Israely
sy ianareo izay matahotra an'Andriamanitra.
Ny Andriamanitr'izao vahoaka Israely izao
no efa nifidy ny razantsika sy nanandratra ny vahoaka
fony izy nitoetra tany Ejipta;
ary tamin'ny sandry mahery no nanesorany azy tao...
Nony noesorina kosa indray i Saoly,
i Davida no natsangany ho mpanjakan'izy ireo,
dia ilay zanak'i Jese, lehilahy araka ny foko,
izay hanao ny sitra-poko rehetra.
Avy tamin'ny taranany
no namoahan'Andriamanitra an'i Jesoa,
araka ny nampanantenainy,
ho Mpamonjy an'i Israely.
Talohan'ny nahatongavany anefa,
dia i Joany no nitory ny batemim-pibehana
tamin'ny vahoaka Israely rehetra;
ary rahefa nadiva ho tapitra ny dian'i Joany,
dia hoy izy: Tsy izaho no ilay andrasanareo,
fa indro avy ao aoriako Izy,
ka tsy mendrika hamaha ny kofehin-kapany akory aho”.

— Izany àry ny tenin'ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Rahampitso dia ho levona ny haratsian'ny tany, fa hanjaka amintsika ny Mpamonjy an'izao tontolo izao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio (Mt 1, 1-25)

Filazana ny razan'i Jesoa Kristy Zanak'i Davida.

Filazana ny razan'i Jesoa Kristy,
Zanak'i Davida zanak'i Abrahama.

I Abrahama niteraka an'i Isaaka;
i Isaaka niteraka an'i Jakôba;
i Jakôba niteraka an'i Jodà mirahalahy avy;
i Jodà niteraka an'i Faresa sy i Zarà tamin'i Tamara;
i Faresa niteraka an'i Esrôna;
i Esrôna niteraka an'i Arama;
i Arama niteraka an'i Aminabada;
i Aminabada niteraka an'i Naasôna;
i Naasôna niteraka an'i Salmôna;
i Salmôna niteraka an'i Bôôza tamin'i Rahaba;
i Bôôza niteraka an'i Obeda tamin'i Rota;
i Obeda niteraka an'i Jese;
i Jese niteraka an'i Davida mpanjaka.

I Davida mpanjaka niteraka an'i Salômôna
tamin'ilay vadin'i Oria;
i Salômôna niteraka an'i Rôbôama;
i Rôbôama niteraka an'i Abiasa;
i Abiasa niteraka an'i Asà;
i Asà niteraka an'i Jôsafata;
i Jôsafata niteraka an'i Jôrama;
i Jôrama niteraka an'i Oziasa;
i Oziasa niteraka an'i Jôatama;
i Jôatama niteraka an'i Akaza;
i Akaza niteraka an'i Ezekiasa;
i Ezekiasa niteraka an'i Manase; i Manase niteraka an'i Amôna; i Amôna niteraka an'i Jôsiasa;
i Jôsiasa niteraka an'i Jekôniasa mirahalahy avy,
tamin'ny andro nifindrana tany Babilôna.

Ary rehefa nifindra tany Babilôna
i Jekôniasa niteraka an'i Salatiela;
i Salatiela niteraka an'i Zôrôbabela;
i Zôrôbabela niteraka an'i Abioda;
i Abioda niteraka an'i Eliakima;
i Eliakima niteraka an'i Azôra,
i Azôra niteraka an'i Sadôka;
i Sadôka niteraka an'i Akima;
i Akima niteraka an'i Elioda;
i Elioda niteraka an'i Eleazara;
i Eleazara niteraka an'i Matàna;
i Matàna niteraka an'i Jakôba;
i Jakôba niteraka an'i Jôsefa vadin'i Maria
izay niteraka an'i Jesoa,
ilay atao hoe Kristy.

Koa ny taranaka rehetra hatramin'i Abrahama
ka hatramin'i Davida dia taranaka efatra ambin'ny folo;
ary hatramin'i Davida ka hatramin'ny nifindrana tany Babilôna
dia taranaka efatra ambin'ny folo;
hatramin'ny nifindrana tany Babilôna ka hatramin'i Kristy
dia taranaka efatra ambin'ny folo.

Ary toy izao no nahaterahan'i Kristy:
i Maria Reniny dia efa fofombadin'i Jôsefa;
fa raha mbola tsy niray trano izy ireo
dia hita fa nanana anaka avy tamin'ny Fanahy Masina izy.
Ary i Jôsefa vadiny, noho izy lehilahy marina,
sady tsy ta hanala baràka azy,
dia nikasa hametraka azy mangingina.
Nefa raha mbola nieritreritra izany izy,
indro nisy Anjelin'ny Tompo niseho taminy, tamin'ny nofy,
ka nanao hoe:

“Ry Jôsefa zanak'i Davida,
aza matahotra ny hampakatra an'i Maria vadinao,
fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina,
ary hiteraka Zazalahy izy,
ka ny Anarany hataonao hoe Jesoa,
fa Izy no hamonjy ny olony
ho afaka amin'ny fahotany”.

Ary izany rehetra izany no tonga,
dia mba hahatanteraka
izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany hoe :

Indro ny Virjiny hitoe-Jaza ka hiteraka Zazalahy,
ary ny Anarany hatao hoe Emanoela,
izany hoe amintsika Andriamanitra".

Ary rehefa nahatsiaro tamin'ny torimaso i Jôsefa,
dia nanao araka izay nandidian'ny Anjely azy,
ka nampakatra ny vadiny;
ary tsy nahalala azy izy ambara-piterany ny Zanany Lahimatoa,
ary nataony hoe Jesoa no Anarany.

— Izany àry ny tenin'ny Tompo.

Evanjely

Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio (Mt 1, 18-25)

Hiteraka Zazalahy i Maria, ka ny Anarany hataonao hoe Jesoa.

Ary toy izao no nahaterahan'i Kristy:
i Maria Reniny dia efa fofombadin'i Jôsefa;
fa raha mbola tsy niray trano izy ireo
dia hita fa nanana anaka avy tamin'ny Fanahy Masina izy.
Ary i Jôsefa vadiny, noho izy lehilahy marina,
sady tsy ta hanala baràka azy,
dia nikasa hametraka azy mangingina.
Nefa raha mbola nieritreritra izany izy,
indro nisy Anjelin'ny Tompo niseho taminy, tamin'ny nofy,
ka nanao hoe:

“Ry Jôsefa zanak'i Davida,
aza matahotra ny hampakatra an'i Maria vadinao,
fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina,
ary hiteraka Zazalahy izy,
ka ny Anarany hataonao hoe Jesoa,
fa Izy no hamonjy ny olony
ho afaka amin'ny fahotany”.

Ary izany rehetra izany no tonga,
dia mba hahatanteraka
izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany hoe :

Indro ny Virjiny hitoe-Jaza ka hiteraka Zazalahy,
ary ny Anarany hatao hoe Emanoela,
izany hoe amintsika Andriamanitra".

Ary rehefa nahatsiaro tamin'ny torimaso i Jôsefa,
dia nanao araka izay nandidian'ny Anjely azy,
ka nampakatra ny vadiny;
ary tsy nahalala azy izy ambara-piterany ny Zanany Lahimatoa,
ary nataony hoe Jesoa no Anarany.

— Izany àry ny tenin'ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin'i Izaia Mpaminany (Iz 9, 1-6)

Zazalahy no indro nomena antsika.

Ny vahoaka nandeha tamin'ny haizim-pito, nahita mazava lehibe;
ary ireo nonina tamin'ny tany aloky ny fahafatesana, namirapiratan'ny mazava.
Nampitombo ny vahoakanao Ianao, ary nataonao lehibe ny hafaliany;
ka mifaly eo anatrehanao, toy ny fifaliana raha fararano izy,
toy ny fihobiana an-kafaliana, raha mizara babo.
Satria ny jioga nanavesatra azy, ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny,
ny tehin'ny mpitoroka azy, dia samy notapahinao,
toy ny tamin'ny andron'i Madiàna.
Ny kapan'ny mpiady rehetra tamin'ny fikatrohana
mbamin'ny kapaoty nihoson-dra rehetra,
dia atao anatin'ny afo, ka levon'ny afo.

Fa misy Zaza teraka ho antsika, Zazalahy nomena antsika:
ka ny Fanjakana napetraka eo an-tsorony;
ary ny Anarany atao hoe:
Mpanolo-tsaina mahagaga, Andriamanitra mahery,
Ray mandrakizay, Andrian'ny fiadanana,
mba hanitatra ny fanjakana
sy hanome fiadanana tsy manam-pahataperana
ho an'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany,
mba hampiorenany azy sy hanamafisany azy,
amin'ny hitsiny sy ny rariny
hatramin'izao ka ho mandrakizay.
Ny zotom-pon'ny Tompon'ny tafika
no hanatanteraka izany.

— Izany àry ny tenin'ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 95, 1-2a. 2b-3. 11-12. 13

Efa teraka ao Betilehema, i Jesoa Zanak'Andriamanitra
Efa teraka ao Betilehema, derao ny Mpanavotra antsika.

Ihirao hira vao ny Tompo,
Ihirao ny Tompo, ry tany tontolo.
Isan'andro isan'andro tsy tapaka,
torio ny famonjeny mahafaly.

Ambarao ny firenena ny voninahiny,
lazao ny vahoaka ny asany mahagaga
fa lehibe ny Tompo, mendri-dera fatratra;
Izy no ny famonjeny mahafaly.

Ny lanitra mifalia, ny tany miravoa;
mirohondrohòna ny riaka sy izay mameno azy,
mibitaha ny saha sy ny vokatra eo aminy,
manakorà ny hazo ao an'ala.

Mba hitsena ny Tompo izay tamy,
izay tamy mba hitsara ny tany,
hitsara ny tontolo araka ny rariny,
sy ireo vahoaka araka ny hitsiny.

Vakiteny faharoa

Taratasin'i Masindahy Paoly Apôstôly ho an'i Titio (Tito 2, 11-14)

Efa niseho ho an'ny olona rehetra ny fahasoavan'Andriamanitra.

Efa niseho ny fahasaoavan'Andriamanitra,
loharanom-pamonjena ho an'ny olona rehetra,
mampianatra antsika hamela ny toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra,
sy ny filan'izao tontolo izao,
fa ho velona amin'ity fiainana ity manana ny toetr'olona mahalala onony,
marina, tia vavaka, miandry ny fahasambarana antenaintsika
sy ny voninahitr'Andriamanitra lehibe sy Mpamonjy antsika,
dia i Jesoa Kristy, izay nanolo-tena ho antsika,
mba hanavotra antsika ho afaka amin'ny ota rehetra
sy hanadio ho an'ny Tenany ny vahoaka
izay ho Azy tokoa sady fatra-pitia ny asa soa rehetra.

— Izany àry ny tenin'ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fifaliana lehibe no indro ambarako anareo: Mpamonjy no teraka ho anareo anio, dia i Kristy Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka (Lk 2, 1-14)

Mpamonjy no teraka ho anareo.

Tamin'izany andro izany,
dia namoaka didy i Sezara Aogosta
hampanoratra ny anaran'ny vahoakany amin'ny tany rehetra:
dia fony i Sirinosy no governoran'i Siria
no natao izany fanoratana voalohany izany.
Dia samy nankany amin'ny tanàna niaviany avy
izy rehetra, mba hosoratana.

Ary i Jôsefa koa niakatra avy tany Galilea
avy tao an-tanàna Nazareta hankany Jodea
ho ao an-tanànan'i Davida atao hoe Betilehema,
fa taranaka sy fianakavian'i Davida izy,
mba hosoratana izy sy i Maria vadiny izy bevohoka.
Fa raha tao izy,
dia tonga ny fotoana hiterahan'i Maria,
ary niteraka ny Zanany lahy matoa izy,
dia nohodidininy lamban-jaza
ka nampandriany teo amin'ny fihinanam-bilona,
fa tsy nisy hitoerany ta an-tranom-bahiny.

Ary tamin'izany tany izany
nisy mpiandry nitoetra tany an-tsaha
niambina ny ondriny nandritra ny alina.
Ary nisy Anjelin'ny Tompo
nitsangana teo anilany,
ary ny voninahitr'Andriamanitra
nanelatrelatra manodidina azy ireo
ka natahotra dia natahotra izy.
Fa hoy ny Anjely taminy:

“Aza matahotra ianareo,
fa indro fifaliana lehibe
ho an'ny vahoaka rehetra no lazaiko aminareo:
fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio
ao an-tanànan'i Davida,
dia i Kristy Tompo.
Ary izao no famnatarana ho anreo:
dia hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza
sady mandry ao amin'ny fihinanam-bilona ianareo”.

Ary niaraka tamin'izay,
nisy antokon-tafika any an-danitra
tonga teo amin'ilay Anjely,
ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe:

“Voninahitra anie
ho an'Andriamanitra any amin'ny avo indrindra,
ary fiadanana anie
ho an'ny olona ety ambonin'ny tany,
fa nanehoany ny hatsaram-pony”.

— Izany àry ny tenin'ny Tompo.

 

Vakiteny voalohany

Bokin'i Izaia Mpaminany (Iz 62, 11-12)

Indro, avy ny Mpamonjy anao.

Izao no nambaran'ny Tompo,
hatrany amin'ny faran'ny tany:

“Lazao amin'ny zanaka vavin'i Siôna hoe:
Indro, avy ny Mpamonjy anao;
ny valisoa homeny efa eny aminy;
ary ny tamby hatolony efa eo anoloany.
Izy ireo hantsoina hoe:
“Firenena masina”,
“Ny navotan'ny Tompo”;
ary ianao kosa hantsoina hoe:
“Ilay irina”, “Tanàna tsy foy”.

— Izany àry ny tenin'ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 96, 1 sy 6. 11-12

Teraka anaty tranon'omby ilay Zazakely nirintsika
ny hatsaran'ny lanitra aza ihoaran'ity Zaza ity.

Manjaka ny Tompo: miravoa ny tany;
ianareo nosy maro, mifalia.
Ny lanitra manambara ny fahamarinany,
ireo vahoaka mahita ny voninahiny.

Ny hazavana miposaka amin'ny olo-marina,
ny hafaliana miposaka amin'ny mahitsy fo.
Mifalia amin'ny Tompo, ry olo-marina;
isaory ny Anarany masina!

Vakiteny faharoa

Taratasin'i Masindahy Paoly Apôstôly ho an'i Tito (Tito 3, 4-7)

Ny famindram-pony no nahatonga antsika olom-boavonjy.

Ry havako malala,
nony niseho ny famindram-po
amam-pitiavan'Andriamanitra Mpamonjy antsika olombelona,
dia tsy noho ny asan'ny fahamarinana nataontsika
fa noho ny famindram-pony;
Izy no namonjy antsika
tamin'ny fanasana nahaterahantsika indray
sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina,
izay nampidininy be dia be tamintsika
tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika;
mba hohamarinin'ny fahasoavana isika,
ka ho tonga mpandova am-panantenana
ny fiainana mandrakizay.

— Izany àry ny tenin'ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Voninahitra anie ho an'Andriamanitra any amin'ny avo indrindra ary fiadanana anie ho an'ny olona ety ambonin'ny tany, fa nanehoany ny hatsaram-pony.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka (Lk 2, 15-20)

Nahita an'i Maria sy i Jôsefa ary ny Zazakely vao teraka ny mpiandry ondry.

Rehefa nandao ny mpiandry ondry ny Anjely ka nankany an-danitra,
dia niresaka ireo mpiandry ondry nanao hoe:

“Andeha isika ho any Betilehema
hizaha izany zavatra vao tonga
nampahafantarin'ny Tompo antsika izany”.

Dia nankany haingana izy,
ka nahita an'i Maria sy i Jôsefa ary ny Zazakely
mandry amin'ny fihinanam-bilona;
ary rehefa nahita izy ireo,
dia nampiely ny teny nolazaina taminy
ny amin'izany Zaza izany.
Ary izay rehetra nandre dia gaga avokoa
tamin'izay nolazain'ny mpiandry ondry taminy;
fa i Maria kosa nitadidy izany rehetra izany
ka nieritreritra azy tao am-pony.
Ary nody ny mpiandry ondry
nidera sy nankalaza an'Andriamanitra
noho ny zavatra rehetra reny sy hitany,
araka izay nolazaina taminy.

— Izany àry ny tenin'ny Tompo.

 

Vakiteny voalohany

Bokin'i Izaia Mpaminany (Iz 52, 7-10)

Hahita ny famonjen’Andriamanitra ny vazan-tany rehetra.

Endrey! izany hatsaran’ny tongotr’ilay Iraka eny an-tendrombohitra,
izay mitory ny vaovao mahafaly, dia ny fiadanana;
ilay manambara ny fahasambarana, ilay mitory ny famonjena;
ilay milaza amin’i Siôna hoe:

“Manjaka ny Andriamanitrao!”.

Ny feon’ny mpitilinao: manandra-peo izy ireo, miara-mihoby an-kafaliana,
satria hitany maso ny fiverenan’ny Tompo ao Siôna.
Miaraha mihoby an-kafaliana, ry Jerosalema rava!
Fa ny Tompo efa nampionona ny vahoakany
sy efa nanavotra an’i Jerosalema.
Nasehon’ny Tompo ny sandrin’ny fahamarinany,
hiharihary eo imason’ny firenena rehetra.
Ary ny faran’ny tany rehetra,
hahita ny famonjen’ny Andriamanitsika.

— Izany àry ny tenin'ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 97, 1. 2-3ab. 3de-4. 5-6

Ianao, ry Tompo, no Mpamelona anay sy Mpamonjy anay.

Ihirao hira vao ny Tompo
fa nahavita zava-mahagaga:
ny tanany havanana, ny sandriny masina
no nahazoany fandresena.

Nahariharin’ny Tompo ny famonjeny,
ny fahamarinany hitan’ireo firenena.
Tsarovy, ry terak’i Israely,
ny fitiavany sy ny fahamarinany!

Zahao, ry vazan-tany rehetra,
ny famonjen’ny Andriamanitray.
Hobio ny Tompo, ry tany tontolo,
mientàna, miantsà sy mihobia.

Miantsà ny Tompo amim-baliha,
amim-baliha sy hira fiantsàna
amin’antsiva sy feon’anjomara
mihobia eo anoloan’ny Tompo Mpanjaka!

Vakiteny faharoa

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb 1, 1-6)

Tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenan’Andriamanitra tamintsika.

Fahiny tamin’ny fotoana sy ny fomba samihafa,
dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra,
tamin’ny vavan’ny mpaminany;
fa amin’izao andro farany izao kosa indray,
dia tamin’ny Zanany no nitenenany tamintsika,
dia Ilay notendreny ho Mpandova ny zavatra rehetra
sy nahariany an’izao tontolo izao.

Io Zanany io,
izay famirapiratan’ny voninahiny, sy mariky ny Tenany,
ary manohana ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny,
dia mipetraka eo ankavanan’ny fiandrianany masina
any amin’ny avo indrindra,
nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika,
ka natao ambonin’ny Anjely,
arakaraka ny fahambonian’anarana nolovàny,
fa tsy tahaka ny azy ireo.
Fa Anjely iza no mba nilazan’Andriamanitra hoe:

“Zanako Ianao,
Izaho no niteraka Anao androany”

sy ny hoe:

“Izaho ho Rainy,
ary Izy ho Zanako”?

Ary rehefa mampiditra ny Lahy matoa
aty ambonin’ny tany indray Izy,
dia manao hoe:

“Aoka hitsaoka Azy
ny Anjelin’Andriamanitra rehetra”.

— Izany àry ny tenin'ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mamiratra amintsika ilay andro masina; koa avia, ry firenena rehetra, mitsaoka ny Tompo, satria nidina androany tety an-tany ilay Fahazavana lehibe.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany (Jo 1, 1-18)

Tonga nofo ny Teny ary nonina tety amintsika.

Tamin’ny voalohany ny Teny,
ary ny Teny dia tao amin’Andriamanitra,
ary Andriamanitra ny Teny.

Tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany Izy,
Izy no nahariana ny zavatra rehetra,
ary raha tsy Izy, tsy nisy ary ny zavatra àry rehetra.
Tao aminy ny fiainana,
ary ny fiainana no fahazavan’ny olona.
Ary mamirapiratra amin’ny maizina ny fahazavana,
fa tsy nandray Azy ny maizina.

Nisy lehilahy anankiray nirahin’Andriamanitra,
Joany no anarany;
tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy,
mba hinoan’ny olon-drehetra noho ny teniny.
Tsy izy anefa no Fahazavana,
fa tonga ho vavolombelona manambara ny Fahazavana fotsiny izy.

Fa ny Teny ihany no tena Fahazavana,
izay manazava ny olona rehetra
tonga amin’izao tontolo izao,
nefa tsy nahalala Azy izao tontolo izao.
Tonga teo amin’ny olony Izy,
fa ny olony tsy nandray Azy.
Fa izay rehetra nandray Azy
dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra,
dia izay mino ny Anarany,
ka tsy mba nateraky ny ra na ny sitra-pon’ny nofo,
na ny sitra-pon’ny olona ireo,
fa nateraka avy amin'Andriamanitra.
Ary ny Teny dia tonga nofo,
ka nonina taty amintsika;
ary nibanjina ny voninahiny izahay,
dia voninahitra
tahaka izay zakain-janaka Lahy tokana
avy amin’ny Rainy,
sady feno fahasoavana sy fahamarinana Izy.

Nanambara Azy i Joany
ka niantso nanao hoe:

“Izy ilay nolazaiko hoe:
Izay avy, ao aoriako
dia efa tonga eo alohako,
satria talohako Izy”.

Ary avy amin’ny hafenoany
no nandraisantsika rehetra fahasoavana miampy fahasoavana,
satria ny Lalàna moa
nomena tamin’ny alalan’i Môizy,
fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa
dia avy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Tsy dia nisy nahita an’Andriamanitra
na oviana na oviana,
fa ny Zanaka tokana
izay ao anatin’ny Ray ihany
no hany nanambara Azy.

— Izany àry ny tenin'ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mamiratra amintsika ilay andro masina; koa avia, ry firenena rehetra, mitsaoka ny Tompo, satria nidina androany tety an-tany ilay Fahazavana lehibe.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany (Jo 1, 1-5. 9-14)

Tonga nofo ny Teny ary nonina tety amintsika.

Tamin’ny voalohany ny Teny,
ary ny Teny dia tao amin’Andriamanitra,
ary Andriamanitra ny Teny.

Tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany Izy,
Izy no nahariana ny zavatra rehetra,
ary raha tsy Izy, tsy nisy ary ny zavatra àry rehetra.
Tao aminy ny fiainana,
ary ny fiainana no fahazavan’ny olona.
Ary mamirapiratra amin’ny maizina ny fahazavana,
fa tsy nandray Azy ny maizina.

Fa ny Teny ihany no tena Fahazavana,
izay manazava ny olona rehetra
tonga amin’izao tontolo izao,
nefa tsy nahalala Azy izao tontolo izao.
Tonga teo amin’ny olony Izy,
fa ny olony tsy nandray Azy.
Fa izay rehetra nandray Azy
dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra,
dia izay mino ny Anarany,
ka tsy mba nateraky ny ra na ny sitra-pon’ny nofo,
na ny sitra-pon’ny olona ireo,
fa nateraka avy amin'Andriamanitra.
Ary ny Teny dia tonga nofo,
ka nonina taty amintsika;
ary nibanjina ny voninahiny izahay,
dia voninahitra
tahaka izay zakain-janaka Lahy tokana
avy amin’ny Rainy,
sady feno fahasoavana sy fahamarinana Izy.

— Izany àry ny tenin'ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...