Taratasin’i Masinday Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 1, 1. 3-10)
Ry kristianina havana,
i Paoly Apôstôlin’i Jesoa noho ny sitrapon’Andriamanitra dia mamangy ny olona masina,
mbamin’ny mpino ao amin’i Kristy.
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay nitso-drano antsika tao amin’i Kristy,
amin’ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra,
sy nifidy antsika tao aminy talohan’ny nahariana izao tontolo izao
mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika,
ary nanendry antsika rahateo tamim-pitiavana araka ny sitraky ny Fony,
mba ho zanaka hatsangany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika;
nampamirapirata ny voninahitry ny fahasoavany izany,
dia ny fahasoavany nanasoavany antsika ao amin’Ilay malalany.
Izy no ahazoantsika ny fanavotana amin’ny Rany, sy ny famelana ny fahotantsika,
araka ny haben’ny fahasoavany, izay nomen’Andriamanitra be dia be ho antsika
tamin’ny fahendrena amam-pahalalana rehetra,
fa nampahafantariny antsika ny lahatra lalin’ny safidim-pony,
izay nofidin’ny hatsaram-pony hotanterahiny, rahefa feno ny andro:
dia ny hanakapohana ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy,
na ny any an-danitra, na ny ety an-tany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 97, 1. 2-3ab. 3de-4. 5-6
Ihirao antsa vao ny Tompo
fa mahagaga ny zava-bitany.
Fa ny tanany no namonjy,
nanampy Azy ny herin-tsandriny.
Ka dia hitan’ny firenena.
Ny famonjena amam-pahamarinany.
Mba tsarovy, ry Israely.
Ilay fitiavany tsy mivadika.
He zahao e, ry vazan-tany.
Izato vonjin’Andriamanitra.
O, ry tany, derao ny Tompo.
Ka mientàna amin-karavoana.
‘Ndao, antsao am-baliha ny Tompo.
Anaovy antsa sy fihobiana.
Feon’antsiva sy anjomara.
Enti-midera ny fiandrianany.
Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 47-54)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Farisianina sy ny nipanora-dalàna nanao hoe:
“Loza ho anareo, fa manao fasana ho an’ny mpaminany ianareo,
kanefa ny razanareo ihany no namono azy!
Koa mitsangan-ko vavolombelona sy mpankasitraka ny nataon’ny razanareo ianareo,
fa izy moa namono ny mpaminany, ianareo kosa manao fasana ho azy.
Izany no nanaovan’ny fahendren’Andriamanitra hoe:
‘Haniraka mpaminany sy Apôstôly ho any aminy Aho,
ka ny sasany hovonoiny ary ny sasany hoenjehiny,
mba hampamoahina an’ity taranaka ity avokoa
ny ran’ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin’ny nahariana an’izao tontolo izao.
Dia hatramin’ny ran’i Abela ka hatramin’ny ran’i Zakaria
izay novonoina tanelanelan’ny ôtely sy ny tempoly.’
Eny, lazaiko aminareo fa hampamoahina an’izany tokoa ity taranaka ity.
Loza ho anareo, ry mpampianatra ny Lalàna, fa nalainareo ny fanalahidin’ny fahalalana,
ka ianareo tsy niditra, ny te-hiditra nosakananareo.”
Raha mbola niteny izany Izy,
dia nododonan’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna, ary nozezehany fanontaniana maro,
mba hamandrihany Azy sy hahazoany vava latsaka hiampangana Azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia (Gal. 5, 18-25)
Ry kristianina havana, raha tarihin’ny Fanahy ianareo,
dia tsy mba ambanin’ny Lalàna intsony.
Ary miharihary ny asan’ny nofo,
dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,
fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana,
fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy,
fifampiandaniana, fitokoana, fitsiriritana, famonoana olona,
fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany.
Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa,
fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao:
fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po,
hamoram-panahy, hazavam-po, tsy fivadihana,
fahalemem-panahy, fahalalana onona;
tsy misy izay Lalàna mikasika an’ireo.
Izay an’i Kristy Jesoa dia efa namàntsika ny nofony
mbamin’ny faniriana amam-pilan-dratsiny tamin’ny Hazofijaliana.
Velona amin’ny Fanahy isika, ka aoka handeha amin’ny Fanahy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6
Endrey ny hasambaran’ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy
tsy mandeha amin’ny lalan’ny mpanota na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso;
fa ny lalan’ny Tompo no sitrany,
ny Lalàny no saininy andro aman’alina!
Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy
mamokatra ara-potoana,
tsy malazo ravina;
izay rehetra ataony, mahomby avokoa!
Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy:
fa mova tsy akofa paohin-drivotra!
Fa ny lalan’ny olo-marina, fantatry ny Tompo,
ny lalan’ny mpanota kosa, mamery!
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 42-46)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza hoe:
“Loza ho anareo, ry Farisianina,
satria ny fahafolon’ny solila sy ny rota ary ny anana rehetra aloanareo,
ary ny rariny sy ny fitiavana an’Andriamanitra tsy asianareo raharaha akory;
nefa tsy maintsy atao izany, ary tsy azo ajanona koa ny sisa.
Loza ho anareo, ry Farisianina,
fa tia ny toerana voalohany ao amin’ny sinagôga sy ny arahaba eny an-kianja ianareo.
Loza ho anareo, fa toy ny fasana tsy hita ianareo, ka hitsahin’ny olona fa tsy fantany.”
Dia niteny ny mpampiana-dalàna anankiray ka nanao taminy hoe:
“Ry Mpampianatra ô,
raha izany no ataonao, dia manala baraka anay koa Ianao.”
Fa hoy i Jesoa:
“Loza ho anareo koa, ry mpampianatra ny Lalàna,
fa mampitondra entan-tsy zaka ny olona ianareo,
nefa na dia ny rantsan-tananareo iray aza tsy akasikareo an’izany akory.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia (Gal. 4, 31b — 5, 6)
Ry kristianina havana, tsy zanaky ny mpanompo isika, fa zanak’olona afaka.
Efa navotan’i Kristy ho amin’ny fahafahana isika, ka mijoroa amin’izany,
fa aza mety hampidirina amin’ny jiogan’ny fanandevozana intsony.
Izao no lazaiko, izaho Paoly, aminareo:
Raha mety hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely aza i Kristy.
Eny, averiko indray amin’ny olona rehetra manaiky hoforana
fa vao mainka koa voafehy hanatanteraka ny Lalàna rehetra aza izy.
Fa tafasaraka amin’i Kristy ianareo rehetra mitady fahamarinana amin’ny Lalàna,
ka lavo niala tamin’ny fahasoavana ianareo.
Izahay kosa dia amin’ny Fanahy sy noho ny finoana no iandrasanay ny fanantenana ny fahamarinana;
satria ao amin’i Kristy Jesoa dia tsy mampaninona izay famorana na tsy famorana,
fa ny finoana ampiasain’ny fitiavana ihany no izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 118, 41 sy 43. 44 sy 45. 47 sy 48
Ho tonga amiko, ry Tompo, ny hatsaram-ponao:
dia ny famonjenao araka ny teninao!
Aza alàna amin’ny vavako ny tenim-pahamarinanao:
fa ny satanao no antenaiko.
Izaho mitandrina ny lalànao lalandava,
ka ho mandrakizay antaranoana.
Miriaria an-kalalahana aho satria mikaroka ny Lahatrao.
Ny firavoako dia ny baikonao,
izay mamiko aoka izany!
Ny baikonao no fanandratako tanana;
ny fitsipikao no fifaliako
Aleloia. Aleioia.
Araikao amin’ny Fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy.
Aieloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 37-41)
Tamin’izany andro izany,
dia nisy Farisianina anankiray nanasa an’i Jesoa hisakafo ao aminy,
ka niditra Izy dia nipetraka nihinana.
Fa velona eritreritra ilay Farisianina nahita ity Izy tsy nisasa alohan’ny fihinanana,
ka hoy ny Tompo taminy:
“Ianareo Farisianina kosa iky mandio ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia,
kanefa ao anatinareo feno halatra sy faharatsiana.
Ry adala, moa izay manao ny vohony tsy manao ny atiny koa?
Izao ihany: manaova fiantrana araka izay anananareo,
dia hadio ho anareo ny zavatra rehetra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia (Gal. 4, 22-24. 26-27. 31 — 5, 1)
Ry kristianina havana, voasoratra fa nanan-janaka roa lahy i Abrahama,
ny iray tamin’ny mpanompovavy, ary ny iray tamin’ny olona afaka.
Ilay zanaky ny mpanompovavy, nateraka araka ny nofo;
ary ilay zanak’olona afaka, araka ny fampanantenana.
Ohatra amin’ny fanekena roa izy roa vavy ireo:
ny iray moa, avy amin’ny tendrombohitr’i Sinaï,
miteraka ho amin’ny fanandevozana, dia i Agara izany.
Fa i Jerosalema any ambony izay renintsika kosa, dia tsy mba mpanompo;
fa voasoratra hoe:
“Mifalia, ry momba, dia ianao izay tsy niteraka!
Miantsoa mafy amin-kafaliana sy firavoravoana,
ianao izay tsy mbola nihetsi-jaza!
Fa ny zanaky ny mananotena no maro noho ny an’izay manambady!”
Koa amin’izany, ry kristianina havana,
tsy zanaky ny mpanompo isika, fa zanak’olona afaka.
Efa navotan’i Kristy ho amin’ny fahafahana isika, koa mijoroa amin’izany,
fa aza mety hampidirina amin’ny jiogan’ny fanandevozana intsony.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 112, 1-2. 3-4. 5-7
Derao ry mpanompon’ny Tompo,
derao ny Anaran’ny Tompo.
Tsarovy ny Anaran’ny Tompo,
na izao na ho mandrakizay.
Tongava marain-tsy hariva
hidera ny Anaran’ny Tompo.
Ambonin’ireo firenena,
ny lazany avo dia avo.
Moa misy mitovy amin’ny Tompo?
Ny Tompo mitoetra any ambony.
Miondrika Izy mijery na lanitra izany na tany.
Alàny amin’ny fako ny ory, esoriny avy eo ny mahantra.
Aleloia. Aleloia.
Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-42)
Tamin’izany andro izany,
nitangorona betsaka ny vahoaka, dia nilazan’i Jesoa hoe:
“Taranaka ratsy ity taranaka ity;
mitady famantarana izy, nefa tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasa mpaminany.
Fa tahaka ny naha-famantarana an’i Jônasa tamin’ny olona tany Niniva
no haha-famantarana ny Zanak’Olona koa amin’ity taranaka ity.
Hiara-mitsangana amin’ny olona amin’ity taranaka ity
ny mpanjakavavy avy any Atsimo amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy,
satria niala avy tany amin’ny fara vazan-tany izy hihaino ny fahendren’i Salômôna,
nefa indro misy mihoatra noho i Salômôna eto.
Hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity
ny olona tany Niniva amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy,
satria nibebaka tamin’ny toritenin’i Jônasa izy ireny,
nefa indro misy mihoatra noho i Jônasa eto.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco